Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 20 - Malagasy Catholic Bible

Fanjakana mandritra ny arivo taona

1Ary nahita Anjely anankiray nidina avy any an-danitra aho, izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany.

2Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona,

3dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rehefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha.

4Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.

5Ny maty sisa kosa dia mbola tsy velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany avy any amin’ny maty.

6Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany! Tsy mba hanam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy i Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.

Ady faharoa eo amin’ny farandro(Jereo Apôk 19,11-21)

7Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana hiala amin’ny tranomaizina i Satana, ka hivoaka hamitaka ny firenena amin’ny vazantany efatra, dia i Goga sy i Magôga, izay hoatra ny fasiky ny ranomasina ny isany, mba hamory azy ho amin’ny ady.

8Dia niakatra tamin’ny tany izy ireo, ka nanodidina ny tobin’ny olo-masina sy ny tanàna malala.

9Kanjo nisy afo nampidinin’Andriamanitra avy any an-danitra kosa, ka nandevona azy ireo; ary ny demony izay namitaka azy koa nazera any amin’ny farihy afo aman-tsolifara,

10itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay.

Fitsarana ny Firenena rehetra

11Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;

12ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.

13Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy.

14Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.

15Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help