1Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao;
ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anao ao am-pony.
2Aza dia mandolotra ny fanahinao amin’ny vadinao,
fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.
3Aza mandeha hifanena amin’ny vehivavy janga,
fandrao tafalatsaka amin’ny famandrihany ianao.
4Aza mijanona ela miaraka amin’ny mpihira vavy;
fandrao dia voafandriny amin’ny fahaizany ianao.
5Aza mahari-pijery vehivavy,
fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy ianao.
6Aza manolo-tena amin’ny vehivavy janga,
fandrao dia very lova ianao.
7Aza mijerijery atsy amin’arỳ eny an-dalamben’ny tanàna,
ary aza misodisody eny amin’ny fitoerany mangingina.
8Avilio ny masonao tsy ho amin’ny vehivavy bikàna,
ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;
fa maro no efa sodokan’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy,
ka mirehitra hoatra ny afo ny fanirian-dratsiny.
9Aza miara-mipetraka amim-behivavy manam-bady,
na oviana na oviana;
aza mandry ilika hiara-mihinana aminy;
aza miara-misotro divay aminy, eo amin’ny fihinanam-be
fandrao tafahodina mankaminy ny fonao,
ka voatariky ny filàn-dratsinao ho amin’ny fahaverezana ianao.
Fifandraisana aman’olona10Aza mahafoy ny sakaizanao ela,
fa tsy mahaleo azy ny vaovao.
Na divay vaovao, na sakaiza vaovao,
aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.
11Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,
fa tsy fantatrao izay ho faharavàny.
12Aza mankasitraka ny fahafinaretan’ny mpankahala fivavahana,
tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin’ny Seoly.
13Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono,
dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao.
Ary raha manatona azy ianao, mitandrema tena amin’ny heloka rehetra,
fandrao dia alàny ny ainao.
Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika ianao,
ary mitete eny ambonin’ny nongonongon’ny mandan’ny tanàna.
14Tandremo araka izay azo atao ny namanao,
ka makà amin’izay hendry.
15Miresaha amin’ny olona manan-tsaina,
ary ny amin’ny lalàn’ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.
16Aoka ho olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao;
ary ny fahatahorana an’Andriamanitra no ataovy voninahitrao.
17Ny tanan’ny olona kinga no hiderana ny asany,
ary ny tenin’ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.
18Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tanànany,
ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin’ny resany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.