Estera Grika 13 - Malagasy Catholic Bible

1I Asoerosy mpanjaka lehibe, amin’ny solo-mpanjaka sy ny governoran’ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiôpia, eo ambany fahefany, mandefa izao manaraka izao:

2Na dia manapaka firenena maro indrindra aza aho, sy efa nampanaiky an’izao tontolo izao, tsy manampatra ny fahefako mba hirehareha amin’izany no tiako, fa ny mampahazo fandriam-pahalemana ny vahoakako mandritra ny andro iainany, amin’ny fanapahany malefaka sy mora, mampandry feizay ny fanjakako sy manao tsara toky azy hatrany amin’izay fara sisiny indrindra, ary mampirobona ny fiadanana mamin’ny olombelona rehetra.

3Ka dia nanontaniako tamin’ireo mpanolo-tsaina ahy, izay azo atao hahatanteraka izany zava-kendreko izany; ary ny iray tamin’izy ireo atao hoe Amàna, izay be fahendrena indrindra eto aminay, sady efa malaza noho ny fahafoizan-tenany tsy mety miova sy ny firaiketam-pony aminay tsy mahay mivadika, ary mahazo ny laharana faharoa amin’ny fanjakana,

4dia nampahalala ahy fa misy vahoaka izay ratsy hevitra, tafaharo amin’ny foko rehetra eto ambonin’ny tany, mifanohitra amin’ny vahoaka rehetra noho ny lalàny maniratsira lalandava ny didin’ny mpanjaka, hany ka misakana ny hisian’ny fifanarahana lavorary eto amin’ny fanjakana entiko.

5Nony hitako fa io vahoaka iray monja io, izay mifanohitra lalandava amin’izay mety ho olombelona, sy misaraka amin’izy ireo, noho ny lalàny hafahafa, ary tsy tia akory izay mahasoa ahy sy manao izay faran’izay ratsy indrindra ka misakana ny fandrosoan’ny fanjakana,

6dia nandidy aho, fa izy ireo, izay voatondro ao amin’ny taratasin’i Amàna, ilay lohan’ny raharaha sy hajaina hoatra ny faharoan-draiko, dia haringan’ny sabatry ny fahavalony avokoa mbamin’ny vadiny aman-janany, tsy hasiana miangana, tsy hananana antra na indrafo, amin’ny faha-14n’ny volana faha-12, izay volana Adara, amin’ity taona ity;

7mba ho indray midina any ambanin’ny tany, amin’ny famonoana azy ho faty amin’ny andro iray ihany, ireo olona mpanohitra hatry ny fahataloha ka mandrak’ankehitriny ireo, ka ny raharahantsika amin’ny andro manaraka dia hody amin’ny fandrosoana sy amin’ny fiadanana lavorary.

Vakina manarakaraka ny toko 4,17.

8Ary i Mardokea nivavaka tamin’ny Tompo, tamim-pahatsiarovana ny asa rehetra nataony,

9ka nanao hoe:

«Tompo ô, Tompo ô, Mpanjaka mahefa ny zavatra rehetra Ianao, fa eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy misy olona mahasakana Anao, raha nikasa ny hamonjy an’i Israely Ianao.

10Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny zava-mahagaga rehetra eo ambanin’ny lanitra.

11Ianao no Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra Anao, Ianao Tompo.

12Mahalala ny zavatra rehetra Ianao; ka fantatrao fa tsy mba nentin-drehareha na avonavona, na fitsiriritam-boninahitra kely akory, no tsy mba niankohofako teo anatrehan’i Amàna, mpiavonavona;

13satria vonon-kanoroka ny dian-tongony aza aho, ho famonjena an’i Israely.

14Fa ny nanaovako izany, dia ny mba tsy hanaovako ny voninahitr’olombelona ho ambony noho ny voninahitra tsy maintsy omena ny Andriamanitro, ka dia tsy hiankohoka eo anatrehan’ny hafa aho, afa-tsy ianao, Tompo, ary tsy mba fiavonavonana no hanaovako izany.

15Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitro sy Mpanjakako, Andriamanitr’i Abrahama, mamindrà fo amin’ny vahoakanao, fa manopy maso anay ny fahavalonay hamono anay, sy handringana ny lovanao faharazana.

16Aza atao tsinontsinona ny anjaranao, navotanao avy any amin’ny tany Ejipta.

17Henoy ny fivavahako! Hasoavy ny zara lovanao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay, mba ho velona aina, ka hankalaza ny Anaranao izahay, ry Tompo; ary aza manakombona ny vavan’ireo midera Anao.»

18I Israely rehetra koa, samy nitaraina tamin’ny Tompo araka izay tratry ny heriny avokoa, fa efa mananontanona eo imasony ny fahafatesana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help