1Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy,
ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny,
ka hanatona sy hiteny!
Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana
2«Iza no nampiakatra avy any atsinanana
an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany?
Iza no nanolotra azy an’ireo firenena,
sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka?
Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy;
ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.
3Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara Izy;
eo amin’ny lalana mbola tsy nodiavin’ny tongony.
4Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany?
Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany,
Izaho Iaveh, Izay voalohany,
sady ho eo amin’ny farany koa!»
5Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra;
mangovitra ny vazantany;
manatona izy ireo ka tonga.
6Samy manampy ny namany avy izy,
ary mifampilaza hoe: «Matokia!»
7Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina;
ny mpandama amin’ny tantanana mankahery ny mively eo amin’ny riandriana;
hoy izy, miantso ny faninginana: «Tsara ity»;
dia homboany amin’ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona.
Momba an’i Israely Andriamanitra(Jereo Iz 43,1-7)8Fa ianao kosa, ry Israely, mpanompoko,
ianao, ry Jakôba nofidiko,
taranak’i Abrahama, sakaizako.
9Ianao izay notantanako avy any am-paran’ny tany,
sy nantsoiko avy any amin’ireo tany lavitra ireo:
ianao izay nilazako hoe: «Mpanompoko ianao,
efa nofidiko, ka tsy mba nariako.»
10Aza matahotra ianao fa momba anao Aho;
aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao;
Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho;
ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
11Ho menatra sy hangaihay foana,
izay rehetra misafoaka hamely anao;
hanahaka ny zava-poana sy ho levona,
izay mifanditra aminao.
12Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony,
ry zareo mila sotasota aminao;
hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona,
ry zareo miady aminao.
13Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao,
mitantana anao amin’ny tanana ankavanana,
milaza aminao hoe: «Aza matahotra,
Izaho no tonga mamonjy anao.»
14Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba,
ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely!
fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh -
ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
15Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao
sady vao no marani-daniroa,
hodiavinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao,
ary hampanjarianao akofa ny havoana.
16Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra,
sy haelin’ny ranonoram-baratra.
Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh,
ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Zava-mahagaga vaovao tamin’ilay Eksaody faharoa17Ireo ory sy mahantra,
izay mitady rano fa tsy mahita,
ka mainan’ny hetaheta ny lelany,
dia Izaho Iaveh no hihaino azy,
Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
18Hampiboiboika renirano,
eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho,
ary loharano eo afovoan’ny lohasaha;
hovako ho farihy ny efitra;
ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.
19Ny efitra hampaniriako sedera
akasià, mirta sy ôliva;
hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo
ny sipresa, platàna, ary boisy.
20Mba ho hitany sy fantany
ary hodinihiny sy hiarahany mahalala,
fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany,
ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.
I Iaveh no hany Andriamanitra21«Alaharo ny teninareo, hoy i Iaveh,
Asehoy izay mahamarina ny anareo,
hoy ny mpanjakan’i Jakôba.
22Aoka hasehony sy hambarany amintsika,
izay zavatra ho avy!
Ambarao izay zavatra taloha,
mba inona sy inona avy ireny?
hiezaka handinika izany ny fonay,
hahalalanay izay nahatanterahany!
Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy!
23Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any,
dia ho fantatray fa andriamanitra ianareo.
Manaova soa, na manaova ratsy,
mba nahitanay izany sy hiarahantsika migaga.
24Indro fa tsinontsinona ianareo,
ary zava-poana ny asanareo;
vetaveta izay mifidy anareo!»
Ambaran’Andriamanitra mialoha ny handresen’i Sirosy25«Nampitranga azy avy any avaratra Aho, ka tonga izy,
avy any atsinanana izy miantso ny Anarako;
hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka;
sy tahaka ny fanosin’ny mpanao vilany ny tanimanga.»
26Iza no nampahalala azy hatramin’ny voalohany
mba hahafantaranay izany,
sy teo aloha ela, mba hilazanay hoe: «Marina izany?»
Tsia: tsy nisy olona nilaza azy!
Tsia, tsy nisy olona nampandre azy!
Tsia, tsy nisy olona nandre ny teninareo!
27Izaho no voalohany nilaza tamin’i Siôna hoe: «Indro! indreo izy.»
ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly hoe
an’i Jerosalema Aho.
28Mijery Aho, ka tsy misy olona;
tsy misy mpanolo-tsaina amin’izy ireo,
izay azoko nanontaniana sy hamaly Ahy.
29Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra;
tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.