1I Tobia dia avy amin’ny fokon’i Neftalì, sy avy amin’ny tanànan’i Neftalì anankiray, izay any Galilea ambony, eo ambonin’i Naasôna, ao ankoatra ny lalana miankandrefana, ka eo ankavanan’ny tanànan’i Sefeta.
1. Izy lasan-ko babo2Lasan-ko babo izy tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina, nefa na tany am-pahababoana tany aza izy, dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.
3Isan’andro izy, dia nizara tamin’ireo rahalahiny, iray firenena aminy, sy babo toa azy, izay rehetra azony omena.
4Na dia izy aza no zandriny indrindra tamin’ireo avy amin’ny fokon’i Neftalì, dia tsy mba nanao fanahin-jatovo velively izy.
5Hany ka fony ny olona rehetra nandeha hiankohoka tamin’ilay zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely, izy irery kosa niendaka tamin’ny be sy ny maro.
6Nankany Jerosalema amin’ny tempolin’ny Tompo izy, niankohoka tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, ary nanolotra tsy tapaka, ny voaloham-bokany sy ny fahafolon’ny fananany.
7Nozarainy, isan-telo-taona, tamin’ny prôselita sy tamin’ireo hafa firenena ny fahafolon-karenany rehetra.
8Ary hatry ny fony vao tanora herotrerony izy no nitandrina izany sy ny toy izany, araka ny lalàn’Andriamanitra.
9Nony efa lehilahy izy, dia nanambady vehivavy anankiray, iray foko aminy, atao hoe Anà,
10ka nitera-dahy taminy, izay nomeny ny anarany, sy nampianariny hatahotra an’Andriamanitra sy hifady ny fahotana rehetra, hatramin’ny fahazazany.
11Rehefa lasan-ko babo izy, mbamin’ny vady aman-janany, ka tonga tany Niniva, izay nisy ny iray foko aminy rehetra,
12na dia nihinana ny hanin’ny mpanompo sampy aza ny olon-kafa rehetra, izy kosa nitahiry ny fanahiny ho madio, fa tsy mba nandoto tena tamin’ny henan’ireny, na oviana na oviana.
13Ary noho izy tsy tapaka ny nahatsiaro ny Tompo, dia nataon’Andriamanitra nahazo fitia tamin’i Salmanazara mpanjaka izy,
14ka nomen’io alalana ho any amin’izay rehetra tiany haleha, sady hahazo manao izay tiany hatao.
15Ka dia nandeha namangy ny lasan-ko babo izy, sy nanome torohevitra tsara azy ireo.
16Indray mandeha izy dia lasa nankany Ragesa, tanànan’ny Meda, nitondra vola talenta folo, avy amin’ny fanomezana be loatra nomen’ny mpanjaka azy;
17ary teo amin’ireo vahoaka be mpiray tanindrazana aminy kosa, hitany ity lehilahy anankiray iray foko taminy, atao hoe Gabelosa, fa poritra mafy, ka natolony an’io ilay vola rehetra nentiny, dia nandraisany rosia taminy izany.
18Tatỳ aoriana ela, nony efa maty i Salmanazara mpanjaka, dia i Senakeriba zanany no nanjaka nandimby azy. Nankahala fatratra ny zanak’i Israely io mpanjaka io,
19ka nandeha namangy izay anisan’ny havany rehetra isan’andro i Tobia, nanala alahelo azy, nizarany ny fananany izy tsirairay avy, araka izay azony atao;
20ny noana nomeny hanina, ny tsy nitafy nizarany fitafiana, ary fatratra ny fahazotoany nandevina ny maty na novonoina.
21Fa tamin’ilay Senakeriba mpanjaka nandositra avy tany Jodea, nony efa voan’ny faharesena namelezan’Andriamanitra azy, noho ny teny fanevatevana nataony, dia nisafoaky ny hatezerana izy, ka maro be tamin’ny zanak’i Israely no nasainy novonoina ho faty; ary i Tobia no nandevina ny fatin’ireo.
22Nisy olona nampandre izany ny mpanjaka, ka nasain’io hovonoina izy sy norobaina ny fananany rehetra.
23I Tobia sy ny vadiny aman-janany anefa nitsoaka nandositra; tapitra nendahana ny fananany rehetra, nefa nahita izay hiereny tsara izy, satria maro olo-nohavanina.
24Dimy amby efapolo andro tatỳ aorian’izany dia novonoin’ny zanany naterany ny mpanjaka. Dia nody tao an-tranony indray i Tobia, sady naverina taminy avokoa ny fananany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.