1Nony efa nampanaiky ny firenena maro ho ambanin’ny fahefany i Arfaksada, mpanjakan’ny Meda, dia nanorina tanàna fiarovana mafy anankiray, nataony hoe Ekbatàna, tamin’ny vato voapaika vita efa-joro.
2Manda, fitopolo hakiho no haavony, telo hakiho no sakany, no nataony manodidina azy, ary nananganany tilikambo maromaro koa, ka zato hakiho ny haavony,
3efa-joro mitovy efatra ny endriny, roapolo dia avy no haben’ny lafiny iray, ary nampifanarahiny amin’ny haavon’ny tilikambo ny varavarana nataony taminy.
4Nirehareha ho tsy azo resena izy, noho ny herin’ny foloalindahiny sy ny hamaroan’ny kalesiny.
5Kanjo, tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asirianina, izay nanjaka tao Niniva, ilay tanàna lehibe, dia nanafika an’i Arfaksada izy,
6ka naharesy azy tao amin’ilay tany lemaka lehibe atao hoe Ragao, fa nampian’ireo mponina amin’ny moron’i Eofrata sy i Tigra, ary i Jadasona amin’ny tany lemak’i Eriôka, mpanjakan’ny Elisiànina.
7Tamin’izay, nihalehibe ny fanjakan’i Nabokodonozora ka nentanin’ny ebo ny fony dia nandefasany iraka avokoa ry zareo rehetra nonina any Silisia, any Damasa, ny any an-tendrombohitra Libàna,
8ny vahoaka any Karmela sy Sedara, ny monina any Galilea, amin’ny tany lemaka lehibe Esdrelôna,
9ry zareo rehetra any Samaria an-dafin’ny ony Jordany, hatrany Jerosalema, ary amin’ny tany Gesena rehetra, hatrany amin’ny sisin-tanin’i Etiôpia.
10Ireo vahoaka rehetra ireo, dia nandefasan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asiria, iraka, avokoa.
11Nefa niray hevitra samy nandà avokoa izy rehetra. Nalefany hody maina izy ireo, ary fanesoana foana no nafitsony azy.
12Ka nisafoaky ny hatezerana tamin’izany vahoaka rehetra izany i Nabokodonozora mpanjaka ary nianiana tamin’ny seza fiandrianany sy tamin’ny fanjakany, fa hamaly ratsy izany nataon’ireo tany rehetra ireo izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.