1Tenin’i Nehemia zanak’i Helkiasa.
Tamin’ny volana Kasleo, taona faha roapolo, raha tao an-dapa, tany Sosa aho,
2dia inty tonga i Hananì, anankiray amin’ny rahalahiko, mbamin’ny lehilahy sasany avy tany Jodà. Nanontaniako izy ireo, ny amin’ny Jody efa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, sy ny amin’i Jerosalema.
3Ka izao no navaliny ahy: «Lavina ny fahoriana sy latsa mahazo ny sisa afaka, dia izay nitsoaka tamin’ny fahababoana, any amin’ny ambanivohitra any; ny mandan’i Jerosalema voarodana, ny vavahadiny levon’ny afo.»
4Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho,
5nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie,
6hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.
7Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, fa tsy nitandrina ny didy, ny lalàna amam-pitsipika nandidianao an’i Môizy mpanomponao.
8Tsarovy ilay teny nasainao nolazain’i Môizy mpanomponao nataonao hoe: Raha mandika ny didiko ianareo, dia haeliko any amin’ny firenena;
9nefa raha miverina amiko ianareo, ka mitandrina ny didiko sy manaraka azy, na dia efa any am-paravodilanitra aza ny voasesitany aminareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho eo amin’ny fitoeram-boafidiko hamponenako ny Anarako.
10Mpanomponao sy vahoakanao, izay navotanao tamin’ny herinao lehibe sy ny tananao mahery izy ireo.
11Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.»
Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.