Salamo 87 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 87 (Volgata 86)I Siôna renin’ny vahoaka

1Salamon’ny zanak’i Kôre. Fihirana.

Nanorina azy teo an-tendrombohitra masina Izy.

2Ny vavahadin’i Siôna dia tian’i Iaveh,

mihoatra noho ny fonenan’i Jakôba rehetra.

3Zava-malaza maro no voatantara momba Anao,

ry tanànan’Andriamanitra.

- Selà

4Amin’ireo mahalala ahy hotononiko i Rahaba sy i Babilôna;

indreo koa ny Filistinina sy i Tira mbamin’i Etiôpia:

tao ireo no teraka.

5Ary izao no hilazan’ny olona an’i Siôna: «Samy teraka tao aminy ity sy irỳ:

dia Izy, ny Avo indrindra, no nanorina azy.»

6Izao no hosoratan’i Iaveh amin’ny fanisam-bahoaka:

Teraka tao ity.

- Selà

7Ny mpihira sy mpitendry zava-maneno, hanao hoe:

«Ao aminao ny loharanoko rehetra.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help