Salamo 128 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 128 (Volgata 127)Tso-drano ho an’ny mpino

1 Fihirana fiakarana.

Sambatra ny lehilahy matahotra an’i Iaveh,

izay mandeha amin’ny lalany.

2Mihinana ny asan-tananao ianao amin’izany,

ka dia sambatra sy voky soa.

3Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa,

ao an-tokantranonao.

Ny zanakao manahaka ny zanak’ôliva

manodidina ny latabatrao.

4Toy izany no hitahiana

ny lehilahy matahotra an’i Iaveh.

5I Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siôna!

Enga anie ka hahita an’i Jerosalema miadana tsara ianao,

amin’ny andro rehetra hiainanao!

6Hahita ny zanaky ny zanakao anie ianao!

Ho amin’i Israely anie ny fiadanana!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help