1Indro, eny an-tendrombohitra,
ny tongotry ny iraka mitondra filazana mahafaly,
izay manambara fiadanana.
Ankalazao ny fetinao, ry Jodà,
efao ny voadinao!
Fa tsy handalo eo aminao intsony izy;
efa levona mihitsy ny ratsy fanahy.
NY FAHARAVAN’NY NINIVAFanafihana2Misy mpandrava tamy hamely anao;
tano ny trano mimanda,
ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao,
angony ny herinao rehetra!
3Fa i Iaveh mampody ny voninahitr’i Jakôba,
mbamin’ny voninahitr’i Israely,
satria norobain’ny mpandroba izy,
sady nosimbany ny foto-boalobony.
4Voaloko mena ny ampingan’ny mpiadiny,
miakanjo mena mangatrakatraka ny miaramilany:
mitranga ny kalesiny ao anatin’ny vy manjelanjelatra,
amin’ny andro iomanany hiady,
ary ny lefony mandihindihy.
5Eny amin’ny arabe ny kalesiny miriotra mifofofofo;
miezaka faingana eny amin’ny kianja,
hoatra ny lelafo no fijery azy,
toy ny tselatra mitsoriaka.
6Mahatsiahy ny olo-malazany izy;
tafintohina eny am-pandehanana ireny;
miezaka ho amin’ny manda izy ireo:
mivonon-kiaro tena ny olona.
7Mivoha ny vavahadin’ny ony,
dia mirodana ny lapa.
8Efa tanteraka izao, dia nampitanjahiny, lasan-ko babo izy io,
ka mitoloko ny mpanompovaviny
toy ny fitolokon’ny voromahailala;
mandondon-tratra izy ireo.
9Toy ny bodo i Niniva hatrizay niandohany...
Mandositra izy ireo! ...Mijanòna e! Mijanòna e!...
nefa tsy misy miherika!
10Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena!
fa tsy hita lany ny hareny,
mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.
11Foana, voaroba, tankina!
Kivy ny fo, mangovitra ny lohalika,
mitapitapin’ny fiahiana mafy ny valahana rehetra,
mivaloarika avokoa ny tarehy.
Fandrahonana ny lion’i Asora12Aiza no misy ny lavak’ireo liona,
izay fitoerana ifahanan’ny liona tanora,
izay nieran’ny liondahy aman-diombavy sy ny zana-diona,
sady tsy misy manaitaitra azy?
13Ilay liona nifaoka izay nilain’ny zanany,
nanakenda ho an’ny liombaviny,
nameno haza ny lavany,
sy toha, ny zohiny.
14Inty aho izao manohitra anao!
- teny marin’i Iavehn’ny tafika; -
hampanjariko setroka ny kalesinao;
holevonin’ny sabatra ny liona tanoranao;
hoesoriko amin’ny tany ny hazanao;
ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.