Jôba 5 - Malagasy Catholic Bible

1Miantsoa hoe, raha misy olona hamaly anao!

iza amin’ireo masina no hitodihanao?

2Ny adala levona amin’ny hatezerany

ary ny foka maty amin’ny fisafoahany.

3Efa nahita ny adala namàka nisandrahaka aho,

kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany.

4Tsy misy famonjena ho an’ny zanany;

montsanina eo am-bavahady ireny, nefa tsy manan-kamonjy;

5Ny variny vokatra, dia lanin’ny lehilahy noana,

mihoatra ny fefy tsilohery izy, dia mandroba azy;

ny hareny koa, areboky ny lehilahy mangetaheta.

6Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny fahoriana,

ary tsy mitsimoka amin’ny tany ny fijaliana,

7no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona,

toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina.

8Raha izaho ianao, Andriamanitra no hotodihiko,

any aminy no handefasako ny fivavahako.

9Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy,

zava-mahagaga tsy tambo hisaina.

10Izy no mandatsaka ranonorana amin’ny tany,

mandefa ny rano eny amin’ny saha,

11manandratra izay voaetry,

ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray.

12Manafoana ny tetikadin’ny mpamadika Izy,

ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tanan’ireny.

13Maningotra ny fetsy amin’ny hafetseny izy,

ary mandrava ny tetikadin’ny fetsy ratsy,

14ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny

ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.

15Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo,

sy amin’ny tanan’ny mahery.

16Ka mody amin’ny mahantra ny fanantenana,

ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava.

17Sambatra ny olona faizan’Andriamanitra!

ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian’ny Tsitoha.

18Fa mandratra Izy, ary mamehy ny ratra;

mikapoka Izy, ary manasitrana amin’ny tanany.

19Inenina Izy hanafaka anao amin’ny fahoriana;

ary amin’ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza.

20Amin’ny mosary, harovany amin’ny fahafatesana ianao;

amin’ny ady, harovany tsy ho voan’ny sabatra ianao.

21Ho voaaro amin’ny kotopian’ny lela ianao,

ary tsy hatahotra rehefa avy ny fandringànana.

22Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana;

tsy hatahotra ny biby dia amin’ny tany.

23Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha;

ary hihavana aminao ny biby dia amin’ny tany.

24Fa hahita ny fiadanana manjaka eo an-dainao ianao;

ary hitsidika ny tanim-bilonao ianao, ka tsy hisy diso tsy ao.

25Ho hitanao ny taranakao mitombo,

ary ny solofonao mihamaro, hoatra ny ahitra any an-tsaha.

26Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana,

toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.

27Izany no voadinikay, izany no marina.

Henoy Izy, ary ataovy soa ho anao».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help