1 Nataon’i Davida.
Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô,
aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko,
fandrao raha mangina Ianao,
dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2Henoy ny feon’ny fifonako,
raha mitaraina aminao aho;
raha manandratra ny tanako,
mankany amin’ny fitoerana masinao aho.
3Aza atao indray mandripaka amin’ny ratsy fanahy aho,
amin’ireo mpamorona heloka,
izay miresaka fihavanana amin’ny namany,
kanjo hasomparana no ao am-pony.
4Valio araka ny asany ireny, sy araka ny haratsian’ny asa nataony;
valio araka ny vitan’ny tanany izy;
omeo azy ny tamby tandrify azy.
5Fa tsy tandreman’ny sainy ny asan’i Iaveh,
dia ny asan-tanany:
ka horavany kosa fa tsy haorina izy ireo.
6Hisaorana anie i Iaveh, fa nihaino
ny feon’ny fifonako Izy.
7I Iaveh no heriko sy ampingako;
Izy no nitokian’ny foko.
Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko.
Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
8Iaveh no herin’ny vahoakany,
mandam-pamonjena ho an’ny nohosorany Izy.
9Vonjeo ny olonao,
ary tahio ny lovanao!
Ianao anie no ho mpiandry azy sy hitondra azy mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.