Izaia 30 - Malagasy Catholic Bible

Teny famelezana an’ireo solontena nankany Ejipta

1Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh,

izay manao fikasana nefa tsy ombako;

sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko,

ka manampy ota ny ota.

2Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo

nefa tsy manontany ny vavako,

mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna

sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta.

3Hody henatra ho anareo, ny fiarovan’i Faraôna;

ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana

eo amin’ny alokalok’i Ejipta.

4Efa mby any Tanisa sahady ireo mpanapaka an’i Jodà;

ary efa tafahoatra hatrany Hanesa ny irany;

5Mangaihay avokoa izy noho izany firenena izany tsy hahefa na inona na inona aminy,

tsy hahazoany vonjy na fanampiana

fa henatra sy fahafaham-baraka foana ihany.

Teny hafa famelezana an’ireo solontena

6Faminaniana ny amin’ireo bibin’i Negeba:

Izy ireo mamakivaky ny tany mampahory sy mampitebiteby,

izay ivoahan’ny liona aman-diona vavy,

ny menarana sy ny dragona manidina,

mitondra ny hareny eny an-damosin’ny ampondra,

sy ny rakiny eo amin’ny trafon’ny rameva,

ho an’ny firenena tsy mahefa na inona na inona.

7Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta;

izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.

Fara hafatra

8Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany,

ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky,

hany ka amin’ny andro ho avy

dia ho vavolombelona mandrakizay izany.

9Satria izy dia firenem-pikomiana

zanaka miodina, zanaka mandà,

tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.

10Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»;

sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay,

fa zava-mahafinaritra no lazao aminay;

hevi-dravina no vinanio.

11Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana,

esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!»

12Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely:

Noho ianareo manamavo izany teny izany,

sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka,

sady manao izany ho fiankinanareo,

13noho izany, io heloka io ho anareo,

dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera

sy efa mandomba eo amin’ny rindrina avo,

izay mirodana tampoka, indray mihelina monja.

14Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy,

izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa,

ary ny vakiny tsy hahitana silany akory

mba hakana afo ao am-patana

na hanovozan-drano ao an-dobo.

15Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo,

ilay Masin’i Israely:

«Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana

no hahavoavonjy anareo;

ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»

16Nefa tsy nety ianareo,

fa hoy ianareo: «Tsia,

fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» -

Eny hoe, handositra ianareo. -

«Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.»

Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.

17Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra;

ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa ianareo.

Mandra-pahatonganareo ho kely sisa,

tahaka ny tsato-kazo eny an-tampon’ny tendrombohitra,

na ny faneva famantarana eny an-kavoana.

18Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy,

dia hitsangana, ka hiantra anareo;

satria Andriamanitra marina i Iaveh.

Sambatra izay rehetra manantena Azy!

Fanambinana ho avy

19Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema,

tsy hitomany intsony ianao,

fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo;

raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.

20Homen’ny Tompo anareo

ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana;

ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,

ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.

21Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:

- Ity no lalana, ka ombao io! -

dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.

22Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo;

mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo:

ka harianareo hoatra ny zava-maloto:

«Mialà eto», hoy ianareo aminy.

23Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa

nafafinao amin’ny tany,

ary ny tany hahavokatra mofo,

tsara tokoa sady betsaka,

amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana

eny amin’ny tany fiandrasana malalaka:

24ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany,

hihinam-bilom-bary matsiro,

voakororòka tamin’ny lapela aman-tsahafa.

25Eny an-tendrombohitra avo rehetra,

eny an-kavoana avo rehetra

hisy sakeli-drano aman-dranovelona,

amin’ny andro famonoam-be,

dia hianjeran’ny tilikambo.

26Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro;

ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny,

ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana,

amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany,

sy hanasitranany ny fery namelezany azy.

Hatao sorona i Asora

27Indro avy any lavitra any ny Anaran’i Iaveh;

mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy;

mivoaka fisafoahana ny molony;

ary tahaka ny afo mandevona ny lelany.

28Tahaka ny riaka manafotra ny fofon’ainy;

manafotra havozona,

hanasivanany ny firenena amin’ny sivana fandravana,

sy hanisiany lamboridy mampivily lalana eo amin’ny valanoranon’ny olona.

29Amin’izany ianareo hiventy hira,

tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety,

ary ny fonareo hiravoravo

tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina,

ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh

hanatona ny vatolampin’i Israely.

30I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina,

ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny,

amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona;

amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.

31Dia hangovitra i Asora amin’ny feon’i Iaveh;

hikapoka amin’ny tsora-kazony Izy,

32ka isaky ny miantefa ny tsora-kazo tsy diso

hampidinin’i Iaveh aminy,

dia hatao mitatatata ny ampongatapaka aman-dokanga,

ary hiady aminy, sady hamely mafy azy Izy.

33Fa efa voaomana hatramin’ny ela i Tôfeta;

io koa dia efa voaomana ho an’ny mpanjaka.

Nataon’ny Tompo malalaka sady lalina izy;

misy afo aman-kitay betsaka eo ambonin’ny antontan-kitainy;

ny fofon’ain’i Iaveh tahaka ny riaka solifara, no mampirehitra azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help