1Tamin’ny volana faha-12, izay volana Adara, tamin’ny andro faha-13n’ny volana izay hanatanterahana ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny, dia andro nantenain’ny fahavalon’ny Jody handresena, kanjo nivadika ny rasa, ka ny Jody indray no naharesy ny fahavalony.
2Nivory tao an-tanànany avy ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, hamely an’izay nitady haharesy azy, ary tsy nisy olona nahatohitra azy ireo, fa efa nahazo ny foko rehetra hatraiza hatraiza ny tahotra azy.
3Nanampy ny Jody koa ny lehiben’ny faritany rehetra, ny solo-mpanjaka, ny governora, mbamin’ny mpanao raharahan’ny mpanjaka, fa nanindry azy ny tahotra an’i Mardokea.
4Satria i Mardokea dia nanam-pahefana tao an-tranon’ny mpanjaka, ary niely laza eran’ny faritany rehetra, fa nandroso nihanalaza hatrany hatrany io lehilahy io, dia i Mardokea.
5Koa nasian’ny Jody tamin’ny sabatra avokoa ny fahavalony, ka vonoana amam-pandringanana moa izany! Nanao izay sitrany tamin’izay nankahala azy izy ireo.
6Tao Sosa renivohitra, dia nisy 500 lahy no matin’ny Jody sy naringany.
7Novonoiny koa i Farsadatà, i Delfôna, i Esfatà,
8i Fôratà, i Adabià, i Aridatà, i Fermestà,
9i Arisaì, i Aridaì, ary i Jezatà,
10dia izy folo lahy, zanak’i Amàna zanak’i Amadatà, ilay fahavalon’ny Jody. Nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.
11Ren’ny mpanjaka androtr’izay ihany, ny isan’ny voavono tao Sosa, renivohitra.
12Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, mpanjakavavy: «Teto Sosa, renivohitra, efa nahafaty sy naharingana 500, sy ny zanak’i Amàna folo lahy, ny Jody, ka ho toy inona no nataony amin’ny faritanin’ny mpanjaka sisa? Inona no angatahinao? fa homeko anao izany. Inona no irinao? fa ho tanteraka.»
13Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homen-dalana ny Jody eto Sosa hanao rahampitso koa indray araka ny didy androany, ary aoka hahantona amin’ny hazo izy folo lahy zanak’i Amàna.»
14Nasain’ny mpanjaka natao izany, ka navoaka tao Sosa ny didy. Dia nahantona izy folo lahy zanak’i Amàna,
15ary nivory indray ny Jody tao Sosa tamin’ny andro faha-14n’ny volana Adara, sy namono olona 300 lahy tao Sosa; nefa tsy mba naninji-tanana nandroba izy.
16Ny Jody sisa tany amin’ny faritanin’ny mpanjaka koa nivory mba hiarovany ny ainy, ka hamelan’ny fahavalony azy mandry feizay: nahafatesany 375.000 ireo nankahala azy. Fa tsy naninji-tanana nandroba izy.
17Tamin’ny faha-13n’ny volana Adara izany. Ka ny andro faha-14n’io volana io, dia nijanonan’ny Jody ka nataony andro fanasana sy firavoravoana.
18Ny Jody tany Sosa kosa dia nivory tamin’ny andro faha-13 sy faha-14, ary tamin’ny faha-15 dia nitsahatra, ka nataony andro fanasana sy firavoravoana io.
19Noho izany, ny Jody tany ambanivohitra, nitoetra tamin’ny tanàna tsy mimanda, dia ny andro faha-14n’ny volana Adara no ataony andro firavoravoana, fanasana, ary fety izay fifanaterana anjara hanina.
5. FANKALAZANA NY «PORIMA»Ny nandidian’ny Fanjakana hankalazana ny «porima»20Nosoratan’i Mardokea izany zavatra izany, ary nandefa taratasy izy, ho any amin’ny Jody eran’ny faritanin’i Asoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21nandidy azy ireo hankalaza isan-taona, ny andro faha-14 sy faha-15n’ny volana Adara,
22ho andro nahazoany fahafahana tamin’ny fahavalony, mba hiadanany, sady volana nampody ny alahelony ho fifaliana, sy ny fisaonany ho andro fety, ka tsy maintsy atao andro fanasana sy firavoravoana ireo andro ireo, fifanaterana anjara hanina, sy anomezan-javatra ny mahantra.
23Ka dia natsangan’ny Jody ho fanao izany, izay efa natombony natao sy nanoratan’i Mardokea taminy.
24Fa i Amàna zanak’i Amadatà, avy amin’ny tanin’i Agaga, fahavalon’ny Jody rehetra, dia efa nanao hevitra hamely ny Jody handringanana azy ireo, ka nanao Pora izany hoe loka, mba handringanany sy handravany azy.
25Fa niseho teo anatrehan’ny mpanjaka i Estera, ka nandidy an-tsoratra ny mpanjaka hampitsingerina ho eo an-dohan’i Amàna, ny hevitra ratsy nokasainy hafitsoka ny Jody, ka nahantona tamin’ny hazo izy sy ireo zanany.
26Dia izany no iantsoana ireo andro ireo hoe Porima avy amin’ny anarana hoe Pora. Noho izany, araka ny teny rehetra ao amin’izany taratasy izany, sy araka izay efa hitan’ny tenany sy izay nanjò azy ireo,
27ny Jody dia nanangana sy nandraikitra ho fomba tsy azo ovàna, ho an’ny tenany aman-taranany mbamin’izay rehetra miray aminy, ny mankalaza isan-taona ireo andro roa ireo, araka ny fomba voadidy sy amin’ny fotoana voatendry.
28Tsy maintsy tsarovana sy ankalazaina ireo andro ireo amin’ny taranaka mifandimby rehetra, isam-pianakaviana, isam-paritany, ary isan-tanàna, ka tsy tokony hofoanana eo amin’ny Jody na oviana na oviana ireo andron’ny Porima ireo, na hitsahatra ny fahatsiarovana azy, amin’ny taranany.
29Nanoratra fanindroany indray i Estera mpanjakavavy, zanak’i Abihaila, sy i Mardokea Jody, sady teny mamporisika mafy tokoa no nataony mba hanamafy ilay taratasy momba ny Porima.
30Ny Jody rehetra amin’ny faritanin’ny fanjakan’i Asoerosy 127, nandefasana taratasy: teny fiadanana, sy fahamarinana,
31haharetana manao ny andron’ny Porima amin’ny fotoana voatendry araka ny efa nanendren’i Mardokea Jody, sy i Estera mpanjakavavy, an’izany ho azy ireo, sy araka ny nanendreny izany, ho an’ny tenany aman-taranany, mbamin’ny fifadian-kanina aman-pitarainana momba azy.
32Ka dia nandraikitra ny fitandremana ny Porima ny didin’i Estera ary nosoratana tamin’ny boky izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.