1Tonga tao amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifeanina, ka nilaza hoe: «Miery any amin’ny havoan’i Hakilà ao atsinanan’ny tany lava volo i Davida».
2Dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa, mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely, hitady an’i Davida, any an’efitr’i Zifa.
3Nitoby teo amin’ny havoan’i Hakilà i Saola ao atsinanan’ny tany lava volo, eo amoron-dalana, ary i Davida nitoetra tany an’efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an’efitra i Saola,
4dia naniraka mpitsikilo i Davida ka nahalala fa tonga tokoa i Saola.
5Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saola. Hitan’i Davida ny toerana nandrian’i Saola sy i Abnera zanak’i Nera lehiben’ny miaramilany; tao afovoan’ny toby i Saola no nandry ary nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6Koa niteny tamin’i Akimeleka Heteanina sy tamin’i Abisaï zanak’i Sarvià sy rahalahin’i Jôaba, i Davida ka nanao hoe: «Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby, ho any amin’i Saola?» Dia hoy i Abisaï namaly azy: «Izaho no hiara-midina aminao.»
7Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany; I Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».
9Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: «Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh, ka afa-maina tsy ho voasazy?»
10Ary hoy i Davida: «Marina fa velona i Iaveh, koa dia i Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitra andro izy ka maty, na hirotsaka amin’ny ady izy ka maty;
11fa aoka harovan’i Iaveh tsy haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh aho! Koa ankehitriny ny lefona eo anilan’ny ondany sy ny siny fitoeran-drano no alao, dia ndao isika handeha».
12Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’i Iaveh torimaso nandrenoka azy izy ireo.
13Niampita teny an-dafy i Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon’ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.
14Ary i Davida niantso ny vahoaka sy i Abnera zanak’i Nera nanao hoe: «Tsy hamaly va ianao, ry Abnera?» Dia hoy i Abnera namaly: «Zovy moa ianao, miantso atỳ amin’ny mpanjaka?»
15Ary hoy i Davida tamin’i Abnera: «Tsy lehilahy va ianao? Ary iza no toa anao amin’i Israely? Koa nahoana ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin’ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao.
16Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona i Iaveh, koa dia ny maty no tandrify anao, satria ianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotr’i Iaveh. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon’ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan’ny ondany?»
17Fantatr’i Saola ny feon’i Davida, ka hoy izy: «Feonao va izany, ry Davida zanako ô!» Dia hoy i Davida namaly: «Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko!»
18Sady nampiany hoe: «Nahoana ny tompoko no manenjika ity mpanompony? Fa nanao inona aho? Inona no ratsy nataon’ny tanako?
19Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.
20Koa ankehitriny, aoka ny rako tsy ho latsaka amin’ny tany lavitra ny tavan’i Iaveh! Fa ny mpanjakan’i Israely ity no niainga hitady izay parasy anankiray, mova tsy ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra!»
21Dia hoy i Saola: «Nanota aho, miverena re, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe».
22Namaly i Davida hoe: «Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy etỳ.
23Samy hovalian’i Iaveh araka ny fahitsiany amam-pahamarinany avy; fa efa natolotr’i Iaveh teo an-tanako ianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotr’i Iaveh aho.
24Ary indro fa toy ny nahasarobidy ny ainao teo imasoko androany, no mba hahasarobidy ny aiko eo imason’i Iaveh koa, ka hanafahany ahy amin’ny tebiteby rehetra».
25Dia hoy i Saola tamin’i Davida: «Hambinina anie ianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao».
Dia nanohy ny diany i Davida; ary i Saola nody any aminy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.