Salamo 104 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 104 (Volgata 103)Ny hasoan’ny zava-boaary

1Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko!

Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao!

Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao!

2Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy,

mamelatra ny lanitra toy ny lay.

3Manorina ny fonenany amin’ny ranon’ny lanitra,

manao ny rahona ho kalesiny;

mandeha amin’ny elatry ny rivotra.

4Manao ny rivotra ho irany,

ary ny lelafo ho mpanompony.

5Manorona ny tany eo amin’ny fanorenany Izy,

ka tsy mihetsiketsika mandrakizay io.

6Nahodidinao azy, toy ny lamba, ny rano lalina,

ka saron’ny rano ny tendrombohitra.

7Saingy nandositra teo anoloan’ny fanandrinanao ireny,

lasa nirifatra aman-tahotra noho ny feon’ny kotrok’oranao izy.

8Dia nitranga ny tendrombohitra, nilempona ny lohasaha,

teo amin’ny toerana voatendrinao ho azy avy.

9Nanisy faritra tsy hihoaran’ny rano Ianao,

ka tsy hiverina hanarona ny tany intsony ireny.

10Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy

dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny;

11hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny,

ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany.

12Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina;

sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo.

13Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy;

ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany,

14mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy,

mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona;

mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy,

15mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona,

omeny diloilo izy hahamandina ny tavany,

ary mofo hankahery ny fony.

16Feno ranony ny hazon’i Iaveh,

mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny.

17Manao ny akaniny eo ny vorona,

mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy;

18ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia,

ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy.

19Ny volana nataony famantarana andro;

ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany.

20Mampiavy ny haizina Izy, ka alina ny andro,

dia mihetsiketsika miaraka amin’izay ny biby rehetra any an’ala.

21Mierona maniry toha, ny liona tanora,

mangataka ny haniny amin’Andriamanitra.

22Miposaka ny masoandro dia mihataka ireny

ka lasa mamitsaka any an-davany.

23Ny olombelona mivoaka amin’izay ho any amin’ny asany;

sy ho any amin’ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.

24Akory ity hamaroan’ny asanao, ry Iaveh;

nataonao tamim-pahendrena izy rehetra.

Henika ny harenao ny tany.

25Indro ny ranomasina, sady lehibe no malalaka;

iriariavam-biby tsy hita isa,

ao ny kely, ao ny lehibe.

26Mivezivezy ao ny sambo,

mbamin’i Leviatàna nataonao hilalao eo amin’ny onja.

27Izy rehetra miandry Anao,

hanome ny haniny amin’ny fotoany.

28Manome azy Ianao, dia mandray izy;

manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa avy aminao izy.

29Manafina ny Tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy;

alànao indray ny fofon’ainy, dia maty izy,

ka miverina indray any amin’ny vovoka.

30Maniraka ny fofon’ainao Ianao, dia àry ireny;

ary manavao ny tarehin’ny tany Ianao.

31Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr’i Iaveh!

hifaly amin’ny asany anie i Iaveh!

32Mijery ny tany Izy dia mihorohoro io;

manendry ny tendrombohitra Izy dia midonaka ireny.

33Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako,

sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.

34Ho sitrany anie ny hirako,

fa izaho, dia i Iaveh no nataoko fifaliako.

35Ho fongotra eto an-tany anie ny mpanota,

ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy!

Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help