Salamo 53 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 53 (Volgata 52)Ny olona tsy misy an’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny feo mitaraina . Hiran’i Davida.

2Ny adala manao anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!»

Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta;

tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

3Mijery ny zanak’olombelona eny an-tampon’ny lanitra, Andriamanitra.

Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny;

na misy olona mitady an’Andriamanitra.

4Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy,

tsy misy iray akory manao ny tsara,

na dia iray monja ihany aza.

5Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy?

fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina;

izy ireo tsy miantso an’Andriamanitra akory.

6Ho tera-kovitry ny tahotra tampoka izy ireo,

tsy misy anefa izay tokony hatahorany,

fa naelin’Andriamanitra ny taolan’izay nitoby hamely anao;

nampahamenatra azy ianao satria efa narian’Andriamanitra izy.

7Enga anie ka hivoaka avy ao Siôna ny famonjena an’i Israely!

Amin’ny fampodian’Andriamanitra ireo lasan-ko babo amin’ny vahoakany,

dia hifaly i Jakôba, ary hiravoravo i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help