1Anaka, manota va ianao? Aza manao izany intsony.
2Mandosira toy ny eo anatrehan’ny bibilava,
eo anatrehan’ny fahotana;
fa raha manatona azy ianao, hokaikeriny.
Nifin-diona ny nifiny,
ka mahafaty ny olombelona.
3Tahaka ny sabatra roa lela, ny fandikan-didy rehetra,
tsy azo sitranina ny ratra afitsony.
4Mandrava harena ny fandrahonana amam-panevatevana,
izany no naharava ny tranon’ny mpiavonavona.
5Ny fangatahan’ny mahantra,
miakatra avy amin’ny molony ho amin’ny sofin’ny mpanana;
fa ho tonga faingana amin’ny mpiavonavona, ny fitsarana azy.
6Izay mankahala anatra, manara-dia ny mpanota,
fa izay matahotra an’Andriamanitra mitodika Azy amin’ny fo tsotra.
7Ny olona mahery am-bavany dia efa manambara tena mbola lavitra any;
fa ny olona manan-tsaina, mahalala raha diso izy.
8Ny olona manao trano amin’ny vola tsy azy,
dia tahaka izay manangom-bato ho amin’ny ririnina.
9Ny andiam-pahavalo, dia tahaka ny antontan-drongony,
ka ho rembin’ny afo no hiafarany.
10Vita ngorodom-bato ny lalan’ny mpanota,
fa ny hantsan’ny Seoly no any am-parany.
Ny hendry sy ny adala11Izay mitandrina ny lalàna, mamolaka ny heviny;
ary ny vokatra faran’ny fahatahorana ny Tompo, dia ny fahendrena.
12Izay tsy ampy fahakingana tsy ho vita fianarana;
nefa misy fahakingana miteraka fahoriana be mangidy.
13Be hoatra ny rano tondraka, ny fahaizan’ny hendry,
ary loharanon’aina ny toroheviny.
14Toy ny vilany vaky ny fon’ny adala,
ka tsy mahatam-pahalalana, na dia iray aza.
15Raha tsy manan-tsaina no mandre teny maneho fahendrena,
dia mankalaza izany izy, ary mampitombo azy koa aza.
Fa raha ny mpanaram-batana kosa no mandre izany, halany izany,
ary ariany any ivohony.
16Ny lahatenin’ny adala, toy ny entana fitondra mivahiny;
fa amin’ny molotry ny manan-tsaina no misy ny mahafinaritra.
17Ilaina eo am-piangonana, ny vavan’ny olon-kendry,
ary saintsainina ao am-po ny teniny.
18Ny fahendrena dia trano rava ho an’ny adala,
ary ny fahaizan’ny adala, dia teny tsy mifandray akory.
19Amin’ny adala ny fampianarana, toy ny gadra amin’ny tongotra,
sy famatorana amin’ny tanana ankavanana.
20Ny adala mitokalakàlaka erỳ, raha mihomehy,
fa ny olon-kinga kosa mitsiky kely foana tsy re.
21Amin’ny olona manan-tsaina
ny fampianarana sahala amin’ny firavaka volamena
sy fehi-tanana amin’ny tanana ankavanana.
22Raha miditra an-trano, ny adala manao dia faingana,
fa ny olon-kendry kosa miahotra toa tsy sahy eo am-pidirana.
23Ny adala miondrika hanarangarana ny ao an-trano, eo am-baravarana,
fa ny olona tsara taiza kosa, mijanona any ivelany.
24Tsy fahaiza-miaina ho an’ny olona, ny mihaino ao am-baravarana;
ka mahatezitra ny manan-tsaina, ny asa mahamenatra toy izany.
25Ny molotry ny adala, tsy manonona afa-tsy hadalana;
fa ny tenin’ny olon-kendry kosa, voalanja amin’ny mizana.
26Ny fon’ny adala dia eo am-bavany,
fa ny fon’ny hendry kosa, dia ny vavany.
27Raha manozona ny fahavalony ny ratsy fanahy,
dia manozona ny tenany ihany.
28Mandoto tena ny mpitati-bolana,
ka ankahalain’ny olona rehetra manatona azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.