Izaia 28 - Malagasy Catholic Bible

Fampitandremana an’i Samaria

1Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima,

sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany,

eny an-tampon’ny lohasaha lonaka

misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.

2Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa

avy amin’ny Anaran’ny Tompo,

tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava,

tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra;

dia hanjera azy mafy amin’ny tany.

3Hohosena amin’ny tongotra

ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima.

4Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany,

eny an-tampon’ny lohasaha lonaka,

hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra:

izay mahita azy,

raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.

5Amin’izany andro izany i Iaveh ho diadema mamirapiratra

sy fehiloham-boninahitra ho an’ny sisan’ny vahoakany,

6ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana,

ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.

Fitenenana an’ireo mpisorona sy mpaminany sandoka

7Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery,

na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery,

rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery,

mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;

8feno lo maloto ny latabatra rehetra,

tsy misy fitoerana intsony.

9«Iza no tadiaviny hampianarina fahendrena,

ary zovy no tadiaviny hamoasana ny fianarana?

Ny zaza vao notazana,

vao mitsaha-nono va?

10Fa didy manampy didy, didy manampy didy,

fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika,

mbetika izao, mbetika izany.»

11Eny àry, fa olona mibadabada

sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa,

no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity.

12Niteny Izy nanao hoe: «Ity no fitoerana fitsaharana;

avelao hiala sasatra ny reraka;

ity no fanamaivanana;» -

kanefa tsy nety nihaino izy ireo.

13Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh,

dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy;

fitsipika manampy fitsipika,

mbetika izao mbetika izany»;

mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany,

ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.

Fitenenana an’ireo mpanoro hevi-dratsy

14Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry olona mpananihany,

lehiben’ny vahoaka eto Jerosalema.

15Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay;

efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay,

ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay,

fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay,

ary ny fitaka ho fierena.»

Tenin’Andriamanitra

16Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh:

«Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna

dia vato voatsapa toetra,

fehizoro, sarobidy, voaorina mafy:

izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.

17Ny rariny no hataoko fitsipika,

ary ny fahamarinana no hataoko fandanjàna.»

Tohin’ny tononkalo mamely ireo mpanoro hevi-dratsy

«Ka ny lainga fiarovana hopaohin’ny havandra;

ary ny fierenao hindaosin’ny rano.»

18Ny fanekenareo amin’ny fahafatesana hofoanana;

ary ny fifanarahanareo amin’ny Seoly, tsy haharitra;

fa rehefa handalo ny loza manafotra,

homontsaniny ianareo;

19Isaky ny avy izy, hahatratra anareo,

fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman’alina;

ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo!

20Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara;

ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.

21Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima;

sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna,

hahavita ny asany, asa tokana aman-tany,

hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!

22Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo,

fandrao mihamafy ny fatoranareo;

satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’

i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.

Fanoharana amin’ny mpiasa tany

23Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko,

mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:

24Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy,

dia miasa tany hatrany hatrany

sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?

25Rehefa voaravony ny tany,

moa tsy dia hapariakany va amin’izay ny nigela sy hafafiny ny komìna,

ary hataony mitandahatra tsara ny frômenta sy ny orja

amin’ny anjara toerany;

ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?

26Ny Andriamaniny no nampianatra azy

izany fitsipika izany, sy nanoro azy.

27Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela,

ary ny komìna tsy kodiavana kodiaran-tsarety;

fa ny nigela velezina amin’ny tehina,

ary ny komìna amin’ny tsora-kazo.

28Ny frômenta hosena,

fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava;

atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety,

mbamin’ny soavaly, nefa tsy torotoroina izy.

29Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika;

mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help