Ohabolana 15 - Malagasy Catholic Bible

Ny hendry sy ny adala

1Ny valin-teny mora, mampitony havinirana;

fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.

2Ny lelan’ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahatehotia,

ny vavan’ny adala miboiboika hadalana.

3Ny mason’i Iaveh, dia amin’ny fitoerana rehetra;

mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4Ny teny mora, dia hazon’aina;

fa ny vava ratsy, mamaky ny fo.

5Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy;

fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.

6Harem-be no ao an-tranon’ny marina;

fikorontanana kosa no ao amin’ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy.

7Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana;

fa tsy mba ny fon’ny adala.

8Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh;

fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.

9Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh;

fa ny manaraka ny rariny, no tiany.

10Famaizana mafy no mihatra amin’izay mivily lalana;

izay mankahala anatra dia ho faty.

11Ny Seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan’i Iaveh:

ka mainka ny fon’ny zanak’olombelona!

12Tsy te hanarina ny mpamazivazy;

ka tsy manatona ny hendry izy.

13Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika,

fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.

14Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana,

fa ny vavan’ny adala mifahana fahadalana.

15Ratsy avokoa ny andron’ny mijaly,

fa fanasana lava ny fo ravoravo.

16Aleo ny kely ombam-pahatahorana an’i Iaveh,

toy izay ny harem-be omban’ahiahy.

17Aleo anana ombam-pitiavana;

toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.

18Ny olo-masiaka manetsika ady,

ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.

19Ny lalan’ny kamo, toa fefy tsilo;

ny lalan’ny olo-mahitsy dia voaarina tsara.

20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;

ny adala kosa maneso ny reniny.

21Hafaliana ho an’ny olona tsy ampy saina, ny hadalana,

fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.

22Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana;

fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.

23Fifaliana ho an’ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany;

ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin’izay antonona azy.

24Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony;

mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.

25Ny tranon’ny mpiavonavona, ravàn’i Iaveh;

fa ny baorina mamaritra ny an’ny mpitondra tena kosa aoriny mafy.

26Halan’i Iaveh ny hevi-dratsy;

fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.

27Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena

manakorontana ny ankohonany;

fa izay mankahala kolikoly no ho velona.

28Ny fon’ny marina, mihevitra izay tokony hovaliany,

fa ny vavan’ny adala mitsaontsaon-dratsy.

29Lavitra ny ratsy fanahy i Iaveh,

fa ny vavaky ny marina henoiny.

30Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo;

ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

31Ny sofina mihaino anatra mahavonjy,

manana anjara toerana eo amin’ny hendry.

32Izay mandà anatra manamavo ny fanahiny;

fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.

33Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena;

ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help