Jeremia 50 - Malagasy Catholic Bible

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Babilôna(Jereo Iz 13; 14; 47; Apôk 18)

1Ny teny notononin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Babilôna sy ny tanin’ny Kaldeanina.

2Ambarao any amin’ny firenena, torio izao,

manangàna saina, ka torionareo izao;

aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna.

Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka!

mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.

3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy,

ka hataony lao ny taniny,

fa tsy hisy olo-monina intsony;

nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa,

- teny marin’i Iaveh. -

4Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

hiverina ny zanak’i Israely,

dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy.

Hitomany eny am-pandehanana izy ireo,

ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.

5Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy.

«Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika,

amin’ny fanekena mandrakizay,

tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

6Efa andian’ondry nanjiona ny oloko,

narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka;

nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy,

ka nanadino ny valany.

7Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa;

ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika!

satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh,

ilay fonenan’ny fahamarinana;

tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»

8Mandosira, mialà ao afovoan’i Babilôna ianareo,

ary mitsoaha miala ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina;

aoka ho toy ny osy lahy, lohalalan’ny andiam-biby fiompy.

9Fa indro Aho hanainga

sy handefa hamely an’i Babela

ny fitambaran’ny firenena lehibe

avy amin’ny tany any avaratra.

Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any;

ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery

izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.

10Dia horobaina i Kaldea,

ho voky avokoa izay handroba azy,

- teny marin’i Iaveh. -

11Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo,

ry mpamabo ny lovako;

eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely

eny an-tanim-bilona ianareo;

sady haneno toy ny soavaly lahy!

12Safo-kenatra ny reninareo;

mivoaramenan’ny henatra ilay niteraka anareo.

Indro izy, fa faraidiny amin’ny firenena,

efitra, tany foana, tany karankaina!

13Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy,

fa ho tonga tany lao;

izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela

ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.

14Milahara hamely an’i Babela, manodidina azy, ianareo mitana tsipìka rehetra.

Tofiro izy, aza itsitsian-jana-tsipìka,

fa nanota tamin’i Iaveh.

15Manaova akoran’ady amin’ny manodidina azy, hatraiza hatraiza;

manandra-tanana izy,

mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany.

Fa famalian’i Iaveh izao:

ampitondray valim-bonoana izy:

toraky ny nataony no ataovy aminy!

16Aringano ao Babela izay mamafy,

sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano.

Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana

samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy;

samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!

17I Israely dia ondry mania

izay nohazain’ny liona:

ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria;

ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany,

dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.

18Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro Aho hamangy ny mpanjakan’i Babela sy ny taniny,

toy ny efa namangiako ny mpanjakan’i Asiria.

19Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely

ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy;

ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada,

izy no handeha hivoky.

20Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

- teny marin’i Iaveh, -

hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany,

ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany,

satria havelako heloka izay sisa navelako.

Ny nirodanan’i Babilôna ambara ao Jerosalema

21Miaraka hamely ny tanim-piodinana,

sy hamely ny mponim-panasaziana,

ravao, aringano mifanarakaraka izy,

- teny marin’i Iaveh, -

ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.

22Fikotrokotrok’ady eny amin’ny tany sy fandringanana be!

23Ahoana re no naharava sy montsana

ilay fampohazan’ny tany rehetra?

Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko,

eo afovaon’ny firenena?

24Nofandrihako tamin’ny tady vavarana ianao, ka voa,

ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany;

hita ianao ka voasambotra,

satria nila ady tamin’i Iaveh.

25Novohan’i Iaveh ny firaketam-piadiany;

ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany;

fa ananan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, raharaha

ny tanin’ny Kaldeanina.

26Avia hamely azy avokoa ianareo any rehetra any,

vohay ny sompiny

ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levòny;

fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.

27Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy.

Loza ho azy fa tonga ny androny,

dia ny fotoana hamangiana azy.

28Fikiakiak’ireo mandositra, sy ireo mitsoaka

miala amin’ny tanin’i Babela!

Manambara any Siôna ny famalian’i Iaveh Andriamanitsika izy,

dia ny famaliany noho ny amin’ny tempoliny!

Avonavona sy eboebo

29Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka,

mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka,

mitobia manodidina azy ianareo;

aza misy afa-mandositra!

Valio araka ny asany izy.

Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa,

fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.

30Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany,

ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa,

amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh. -

31Indro Aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha!

- tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, -

fa tonga ny andronao,

dia ny fotoana hamangiako anao.

32Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy,

ka tsy hisy mpanarina;

horehetako afo ny tanànany,

ka ho levon’izany avokoa ny manodidina azy.

I Iaveh mpanavotra an’i Israely

33Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

ampahorîna ny zanak’i Israely

mbamin’ny zanak’i Jodà miaraka aminy koa;

mitana azy avokoa izay nitondra azy ho babo,

fa tsy mety mandefa azy.

34Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo,

Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io;

ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy

mba hampiadana ny tany,

sy hampangovitra ny mponina ao Babela.

35Sabatra hamely ny Kaldeanina, - teny marin’i Iaveh,-

sy hamely ny mponina ao Babela,

sy hamely ny mpanapaka aman’olon-kendriny!

36Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy!

Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!

37Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny,

mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany,

ka aoka ho toy ny vehivavy ireny!

Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!

38Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina!

Satria tanin-tsampiny

ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny,

dia mirebireby izy ireo.

39Koa ny biby any an’efitra aman’amboadia no honina eo,

ny ostritsa no hiorim-ponenana eo;

fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay;

tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.

40Toy ny tamin’ny nandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma

sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy,

- teny marin’i Iaveh, -

no tsy hisian’olona monina eo;

ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.

Ny vahoaka any avaratra sy ilay lion’i Jordany

41Indro misy firenena avy any avaratra;

firenena lehibe, omba-mpanjaka maro,

no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

42Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana;

olo-masiaka tsy mahalala antra izy.

Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony,

mitaingin-tsoavaly izy,

milahatra hoatra ny olona iray monja,

hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.

43Nandre izany ny mpanjakan’i Babela

dia niraviravy tanana,

nandry andriran’antsy,

tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.

44Indro izy miakatra toy ny liona,

avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva,

fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao,

ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao.

fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy,

ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?

45Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela,

sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina;

Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy;

ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona!

46Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela,

ka misy antso re any amin’ny firenena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help