Ekleziastika 32 - Malagasy Catholic Bible

Ny fanasana

1Voatendry ho mpanjakan’ny fanasana va ianao? Aza manandra-tena.

Aoka ho eo amin’ny mpiara-mihinana toy ny iray aminy ihany ianao:

karakarao aloha izy ireo, vao mipetraka ianao.

2Rehefa vita avokoa ny didy iandraiketanao, makà toerana,

mba hifalianao noho ny amin’izy ireo,

sy handraisanao fehiloha, amin’ny nandaminana tsara ny fanasana.

3Mitenena, ry anti-panahy, fa tandrifinao izany;

nefa mitenena amim-pahamarinana sy fahaizana sady aza misakantsakana ny zava-maneno.

4Fa raha mihaino ny mozika ny olona, aza mandraraka teny maro,

ary aza manampatra ny fahendrenao, tsy amin’ny fotoana.

5Toy ny fitomboka vatosoa voapetaka amin’ny volamena,

ny kônsertra mireondreona eo amin’ny fanasana.

6Toy ny fitomboka vatosoa maitso amin’ny firavaka volamena,

ny kalokalo malefaka miaraka amin’ny divay tsara.

7Mitenena, ry zatovo, raha misy soa ho anao amin’izany,

indroa saiky be, raha anontaniana ianao.

8Afohezo ny teninao, zava-be amin’ny teny vitsy;

aoka ho toy ny olona manam-pahaizana, fa mahay mangina.

9Raha eo amin’ny lehibe, aza manao ny tenanao ho sahala aminy;

ary amin’ny toerana misy anti-panahy, mbà vitsy teny.

10Tselatra mamirapiratra no mialoha ny kotro-baratra;

toetra mahafinaritra kosa no mialoha lalana ny zatovo maotona.

11Rehefa tonga ny fotoana, mitsangàna ary mihinàna fa aza milasilasy,

modia faingana any an-tranonao, fa aza tsy miraidraika.

12Any milalaova, manaràna fo amin’izay angotingoty tianao,

kanefa aza manota amin’ny teny an’avonavona.

13Ary noho izany rehetra izany, misaora an’Ilay Nahary

izay manetsaka anao amin’ny zava-tsoa avy aminy.

Tahotra an’Andriamanitra

14Izay matahotra ny Tompo mandray ny fampianarana,

ary izay mazoto mitady Azy, hahazo sitraka aminy.

15Izay mitady ny lalàna, hahazo fahafaham-po aminy;

fa ho an’ny mpihatsaravelatsihy izy no antony hahalavo azy.

16Izay matahotra ny Tompo no hahita ny fitsarana marina;

ka hampamirapiratra ny teny fitsarana marina, hoatra ny fanilo.

17Mandà famaizana ny mpanota;

ary mahita fialan-tsiny araka izay tiany izy.

18Ny olona manan-tsaina, tsy mba maneso anatra na inona na inona,

fa ny olon-kafa sy ny mpiavonavona,

tsy mba voasakan-tahotra na inona na inona;

ary nony efa avy nanao izy, dia tsy manam-pieritreretana akory,

(ka amin’izany dia miharihary ny fahadalany).

19Aza manao na inona na inona tsy amim-piheverana,

dia tsy hanan-kanenenana ianao, aorian’ny asa.

20Aza mandeha amin’ny lalana efa simba,

dia tsy ho tafintohina amin’ny vato ianao.

21Aza matoky ny lalana mitovy tantana;

ary mitandrema tena ianao amin’ny zanakao.

22Ny fanahinao no itokio, amin’izay rehetra ataonao;

fa fanarahana ny didy koa izany.

23Izay mitoky amin’ny lalàna, dia mihaino tsara ny didiny,

ary izay matoky ny Tompo, dia tsy mba hiharam-patiantoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help