Izaia 7 - Malagasy Catholic Bible

Fampitandremana voalohany an’i Akaza

1Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.

2Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: «Mitoby any amin’i Efraima i Siria.» Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala, ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.

3Dia hoy i Iaveh tamin’i Izaia: «Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba zanakao, hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony. amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;

4ka ianao hilaza aminy hoe:

Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra,

ary aza rera-po foana ianao

eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,

amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.

5Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao

mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:

6Andeha isika hananika an’i Jodà,

ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy

ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao;

7noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!

8Satria fa i Damasa no lohan’i Siria,

ary i Rasìna no lohan’i Damasy;

ka 65 taona sisa,

dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.

9Ary i Samaria no lohan’i Efraima,

ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria.

Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.»

Fampitandremana faharoaIlay Emanoela famantarana

10Mbola niteny tamin’i Akaza koa i Iaveh nanao hoe:

11«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»

12Fa hoy i Akaza: «Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an’i Iaveh aho.»

13Ka hoy i Izaia:

«Mihainoa, ry taranak’i Davida:

Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,

no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?

14Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo:

Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy,

ary ny anarany hataony hoe Emanoela.

15Hihinana hero-dronono sy tantely izy,

mandra-pahaizany mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.

16Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,

dia ho rava ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao

ary amin’ny fianakavian-drainao,

andro tsy mbola nisy tonga toa azy,

hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà,

- dia ny mpanjakan’i Asiria.

18Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka

ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta,

sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.

19Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa

eny amin’ny lohasaha mideza,

sy eny an-tsefatsefa-karambato,

any amin’ny hazo madinika milobolobo,

mbamin’ny tany fiandrasana biby rehetra.

20Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra,

amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony,

- dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, -

ny loha sy ny volon-tongotra

ary hoesoriny koa ny volombava.

21Amin’izany andro izany, ny olona iray hiompy

ombivavy iray sy ondrivavy roa;

22ka noho ny habetsahan’ny ronono avy amin’ireny

dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona;

fa hero-dronono sy tantely

no fihinan’ny olona rehetra tafajanona eo amin’ny tany.

23Amin’izany andro izany ny tany rehetra

misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo,

dia ho rakotra hery sy tsilo.

24Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao,

fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.

25Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna

tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo;

fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help