1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2Omeo an’i Aarôna sy ny zanany izao didy izao, lazao azy hoe: Izao no lalàna momba ny sorona dorana: Hirehitra mandritra ny alina, mandra-pahamaraina, eo am-patan’ny ôtely ny sorona dorana; ary velomina eo mandrakariva ny afon’ny ôtely.
3Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely.
4Raha efa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloiny hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio.
5Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin’ny ôtely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra ny kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran’ny sorom-pihavanana hanetona eo.
6Tsy maintsy misy afo tsy maty, mirehitra mandrakariva, eo ambonin’ny ôtely.
B. Fanatitra7Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.
8Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.
9Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.
10Tsy handrahoina amin’ny lalivay izany. Izany no anjarany natokako ho azy, avy amin’ny fanatitra hodorana amin’ny afo ho Ahy. Zava-masina dia masina izany, toy ny sorona noho ny ota sy ny sorona fanonerana.
11Ny lahy rehetra amin’ny zanak’i Aarôna no hihinana an’izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany, ny amin’ny fanatitra atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Ho masina izay rehetra mikasika izany.
12Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
13Izao no fanatitra hataon’i Aarôna sy ny zanany amin’i Iaveh, amin’ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva.
14Amin’ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rehefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra ankasitrahin’i Iaveh.
15Hanao izany fanatitra izany koa izay mpisorona voahosotra ka handimby amin’ny taranany: lalàna tsy tapaka eo anatrehan’i Iaveh izany. Hisondro-ko etona avokoa izy.
16Ny fanatitra rehetra avy amin’ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
D. Sorona noho ny ota17Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
18Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany, ka lazao hoe: Izao no lalàna momba ny sorona noho ny ota: eo amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh; zava-masina dia masina izany.
19Izay mpisorona hanolotra ny sorona noho ny ota no hihinana azy, ka ho eo amin’ny toerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana no hihinanana azy.
20Ho masina avokoa izay hikasika ny nofony. Raha misy fitafiana nipitihan’ny rany, dia hosasanao eo amin’ny toerana masina izay faritra nipitihan’ny ra.
21Izay vilany tany nandrahoana azy, dia homontsanina, fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hontsanan-drano.
22Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany zava-masina dia masina izany.
23Tsy hisy hohanina anefa ny sorona rehetra noho ny ota, izay hangalana ny rany hoentina ao an-trano lay fihaonana, hanaovam-panavotana ao amin’ny fitoerana masina, fa hodorana amin’ny afo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.