Osea 13 - Malagasy Catholic Bible

Sazin’ny mpanompo sampy

1Raha vao niteny i Efraima, dia nihorohoro ny olona;

nisandratra izy teo amin’i Israely.

Fa tonga meloka izy noho ny amin’i Baala, ka maty.

2Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany;

nanao sarin-javatra anidina tamin’ny volany,

dia sampy araka izay hevitra foroniny;

asan’ny mpanao taozavatra foana izany!

Izao no filazan’ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona,

manoroka zanak’omby.

3Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina,

ho toy ny ando amin’ny maraina malaky levona,

ho tahaka ny akofa paohin’ny rivotra avy eo am-pamoloana,

ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.

Sazin’ny tsy mpankasitraka

4Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao,

hatrany amin’ny tany Ejipta;

tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao;

ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.

5Nahalala anao tany an’efitra Aho

tany amin’ny tany fahamainana.

6Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky;

nivoky izy ka nisondrotra ny fony;

ka izany no nanadinoany Ahy.

7Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona,

ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy.

8Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka Aho,

handriatra ny sarom-pony Aho

ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy;

ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.

Foana ny fanjakana

9Izao no mahavery anao, ry Israely,

dia ianao manohitra Ahy,

manohitra an’izay vonjinao.

10Aiza àry izay mpanjakanao,

hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra?

Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe:

Omeo mpanjaka ama-mpanapaka Aho?

11Omeko mpanjaka ianao amin’ny hatezerako;

ary esoriko ireny amin’ny fahavinirako.

Tsy maintsy rava

12Voafehy ny helok’i Efraima,

atao tsara tahiry ny fahotany.

13Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy;

zaza tsy manam-pahendrena,

fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.

14Hanafaka azy amin’ny herin’ny Seoly Aho,

hanavotra azy amin’ny fahafatesana.

Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao?

Ry Seoly ô, aiza ny fandringananao?

Miafina amin’ny masoko ny nenina.

15Fa hahavokatra eo amin’ny rahalahiny i Efraima;

nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana;

hiakatra avy any an’efitra ny fofon’ain’i Iaveh;

ka ho maina ny loharanony;

ho tankina ny fantsakàny;

hobaboiny ny firaketan’ny zava-tsarobidy rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help