Salamo 67 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 67 (Volgata 66)Fiaraha-mivavaka rehefa avy nijinja

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.

2Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!

hampamirapiratra ny Tavany amintsika anie Izy!

- Selà

3mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny lalanao,

ary amin’ny firenena rehetra, ny famonjenao!

4Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

5Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana,

fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana Ianao

sy mitondra ny firenena ambonin’ny tany.

6Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,

hidera Anao anie ny firenena rehetra!

7Efa nahavokatra ny tany;

hotahin’Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!

8Hotahin’Andriamanitra anie isika!

ary hanaja Azy ny vazantany rehetra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help