1Ary hoy i Davida anakampony: «Mbola ho fatin’ny tanan’i Saola ihany aho, indray andro any, ka ny mandositra faingana any amin’ny tanin’ny Filistinina no mety amiko indrindra, mba hitsaharan’i Saola tsy hitady ahy intsony amin’ny faritan’i Israely rehetra, dia ho afaka amin’ny tanany aho».
2Koa niainga i Davida sy izy enin-jato lahy nomba azy, nankany amin’i Akisa, zanak’i Maôka mpanjakan’i Geta.
3Dia nitoetra teo amin’i Akisa, tany Geta i Davida sy ny olony, samy nomban’ny fianakaviany avy, ary nomba an’i Davida izy roa vavy, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.
4Nilazana i Saola fa nandositra tany Geta i Davida ka dia tsy nandeha hanjòhy azy intsony izy.
I Davida nofehezin’ny Filistinina5Hoy i Davida tamin’i Akisa: «Raha mba nahita fitia eo imasonao ihany aho, dia aoka homena ahy ny fitoerana anankiray honenako ao amin’ny anankiray amin’ny tanàna any an-tsaha, satria aiza ka dia hiara-monina aminao, eto amin’ny renivohi-panjakanao ny mpanomponao?»
6Dia nomen’i Akisa azy androtr’izay ihany i Sikelega; noho izany dia an’ny mpanjakan’i Jodà i Sikelega mandraka androany.
7Herintaona sy efa-bolana no andro nipetrahan’i Davida tany amin’ny tanin’ny Filistinina.
8Niakatra i Davida sy ny olony ary nanafika ny Gesorianina sy ny Gerzianina ary ny Amalesita, fa olona nonina any ankilan’i Sora ka hatrany amin’ny tany Ejipta izy ireo izany ela izany.
9Noravan’i Davida mihitsy ny tany fa ny olona tsy nasiany miangana na lahy na vavy, ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, mbamin’ny fitafiana, nobaboiny avokoa, vao niverina tany amin’i Akisa izy.
10Ary hoy i Akisa: «Taiza no nanafika ianareo androany?» Dia namaly i Davida: «Tany amin’ny Negeban’i Jodà, tany amin’ny Negeban’i Jerameelita ary tany amin’ny Negeban’i Kineanina».
11Fa ny olona no tsy nasian’i Davida miangana, ho enti-mankany Geta, na lahy na vavy, dia hoy izy anakampo: «Fandrao manao filazana mamely antsika ireo, manao hoe: Izao sy izao no nataon’i Davida». Ary toy izany mandrakariva no nataony, tamin’ny andro rehetra nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina;
12ka natoky an’i Davida i Akisa, fa hoy izy: «Nanao izay hampangidy hoditra azy amin’i Israely vahoakany izy, ka ho mpanompoko mandrakizay».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.