Izaia 29 - Malagasy Catholic Bible

Momba an’i Ariela(Jereo Iz 36,1-2; 37,33-37)

1Loza ho an’i Ariela, dia i Ariela,

ilay tanàna nilasian’i Davida!

Ampio taona ny taona,

aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe,

2dia hoporetiko mafy i Ariela,

ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao;

fa ho tahaka an’i Ariela ho ahy izy;

3Izaho hitoby manodidina anao,

hanisy miaramila hanemitra anao,

ary hanangana manda hamelezana anao.

4Haetry ianao ka avy amin’ny tany no hisandratan’ny feonao,

ho re avy amin’ny vovoka ny feonao mimonomonona,

hivoaka avy amin’ny tany toy ny an’ny matoatoa, ny feonao;

ary hiakatra avy amin’ny vovoka,

toa bitsibitsika malemy, ny teninao.

5Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika;

ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.

6Ary indro fa amin’izay dia tampoka sy amin’ny indray mipy maso

no hisavan’i Iavehn’ny tafika anao,

amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy,

tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.

7Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin’ny alina

no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin’i Ariela,

sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda,

sy hamoritra azy mafy.

8Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana,

kanjo nony mahatsiaro dia foana ny fanahiny;

ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro,

kanjo nony mahatsiaro, anan’ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy.

Dia tahaka izany no hahazo an’ireo firenena maro ireo,

izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siôna.

9Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo!

Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba!

Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay,

mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.

10Fa i Iaveh no nampidina ao aminareo

fanahy mampatoritory;

nakimpiny ny masonareo - ny mpaminany izany;

nosaronany ny lohanareo - ny mpahita izany.

Fanambaràna tsy ho fantatra

11Ary ny fahitana rehetra aminareo,

dia tonga toy ny teny amin’ny boky voaisy tombon-kase;

ka atolotra ny olona mahavaky teny izy,

atao hoe: «Vakio ity»,

dia valiany hoe: «Tsy azoko atao, fa voaisy tombon-kase ity boky ity.»

12Atolotra ny olona tsy mahavaky teny indray

atao hoe: «Vakio ity»,

dia valiany hoe: «Tsy mahavaky teny aho».

Tenin’Andriamanitra(Jereo Iz 1,10-20)

13Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity

manatona Ahy amin’ny vavany

sy mankalaza Ahy amin’ny molony,

nefa ny fony ampanalaviriny Ahy,

ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,

14noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga Aho,

amin’izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita,

tsy fahita amin’ity firenena ity.

Ka ny fahendren’ny olon-kendriny ho foana,

ary ny fahazavan-tsain’ny mpampianatra azy hihamaizina».

Fitenenana an’ireo mpanoro hevi-dratsy

15Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh,

ny hevi-mifono voakasany,

sady manao ny asany ao amin’ny maizina,

ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»

16Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga

no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe:

«Tsy nanao ahy izy».

sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe:

«Tsy mahalala na inona na inona izy?»

17Tsy vetivety foana va

dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna,

ary ny saha misy hazo mamoa dia hatao ala?

18Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky,

ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.

19Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh,

ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.

20Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory

ary maty ny mpaniratsira

ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,

21dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava;

mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady;

ary mamery ny marina amin’ny laingany.

22Noho izany, izao no lazain’i Iaveh amin’ny taranak’i Jakôba,

dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama:

«Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony

tsy hivaloarika intsony ny handriny.

23Fa izy sy ireo taranany, rehefa mahita

ny asan’ny tanako eo aminy,

dia hanamasina ny Anarako izy ireo»,

hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo,

ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely.

Ireo Mivily saina, hianatra fahendrena,

ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help