2Tantara 21 - Malagasy Catholic Bible

1Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.

5. FANOMPOAN-TSAMPY SY ZAVA-DOZA NATAON’I JORAMA, I OKOZIASA, I ATALIA SY I JOASYNy nahatonga mpanjaka an’i Jôrama sy ny heloka nataony

2Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.

3Samy nomen-drainy tolo-bohitra betsaka izy ireo, dia volamena, volafotsy, zavatra sarobidy, mbamin’ny tanàna mimanda amin’i Jodà; fa ny fanjakana kosa napetrany amin’i Jôrama, fa izy no lahimatoa.

4Nanao izay hahazoany an-tanana ny fanjakan-drainy i Jôrama, ary rehefa nihanahery izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin’ny filohany sasany tamin’i Israely koa.

532 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

6Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy, tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanak’i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh.

7Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.

(Jereo 2Mpa 8,17-19)

8Tamin’ny androny niodina tamin’ny fanapahan’i Jodà i Edôma, ka nanangana mpanjaka ho azy.

9Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy.

10Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

11Nanao fitoerana avo tamin’ny tendrombohitr’i Jodà aza i Jôrama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an’i Jodà.

12Nisy taratasy avy any amin’i Elia mpaminany, tonga teo aminy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Noho ianao tsy nandeha tamin’ny lalan’i Jôsafata rainao, sy tamin’ny lalan’i Asà mpanjakan’i Jodà,

13fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely nitarika an’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa, toy ny nitarihan’ny ankohonan’i Akaba an’i Israely hitolo-tena aminy, ary namono ny rahalahinao, izay tsara noho ianao, dia ny tarana-drainao,

14dia indro hokapohin’i Iaveh amin’ny aretina lehibe ny vahoakanao, ny zanakao, ny vadinao, mbamin’ny anananao rehetra;

15ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»

16Ary nambosin’i Iaveh hamely an’i Jôrama ny sain’ny Filistinina mbamin’ny Arabo teo akaikin’ny Etiôpianina.

17Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka, hatramin’ireo zanany, mbamin’ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy i Jôakaza ilay zandriny indrindra tamin’ireo zanany.

18Nanaraka izany rehetra izany indray, dia nasian’i Iaveh aretina tsy lai-panafody izy tamin’ny tsinainy.

19Nifandimby ny andro ka tamin’ny faran’ny taona faharoa, nivoaka ny tsinain’i Jôrama noho ny hamafin’ny aretina, dia maty tamim-pangirifiriana mafy izy, ary tsy mba nandoroan’ny vahoaka zava-manitra ho fanajana azy, toy ny nandoroany an’izany ho an’ny razany.

Ireo sazy(Jereo 2Mpa 8,20-22)

20Efa 32 taona i Jôrama fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Lasa tsy nisy mpalahelo izy, ary nalevina tao an-tanànan’i Davida fa tsy mba tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help