1Ho an’ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Salamon’i Asafa. Fihirana.
2Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, midera Anao izahay;
akaiky ny Anaranao,
mitory ny zava-mahagaga ataonao ny olona.
3Rehefa tonga ny fotoana, hitsara marina Aho,
4mihozongozona ny tany mbamin’ny mponina rehetra eo aminy;
izaho kosa dia mampiorina ny andriny.
- Selà
5Hoy aho amin’ny mpirehareha: «Aza mirehareha!»
ary amin’ny ratsy fanahy: «Aza manangan-doha!
6Aza avo fananganan-doha loatra,
aza miteny an’avonavona be loatra!»
7Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana,
na avy any an’efitry ny tendrombohitra!...
8Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana:
ny iray aetriny, ny iray asandrany.
9Satria eo an-tanan’i Iaveh misy kapoaka,
ka divay mandroatra miharo zava-manitra no ao.
Dia aidiny izany: eny, hotsentsefiny ny faikan’izany,
hisotro avokoa ny ratsy fanahy amin’ny tany.
10Fa izaho kosa hitory izany mandrakizay,
hihira fiderana ny Andriamanitr’i Jakôba aho.
11Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko;
fa ny tandroky ny marina kosa hasandratro.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.