1Nisy lehilahy anankiray atao hoe Jôba, tany amin’ny tanin’i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.
2Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany.
3Ny fananany kosa dia ondry 7000, rameva 3000, omby 500 tsiroaroa, ampondravavy 500, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin’ny zanaky ny Tatsinanana.
4Fanaon’ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin’ny sakafo tsara samy amin’ny an’androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.
5Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.
6Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.
7Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
8Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy».
9Fa hoy i Satana namaly an’i Iaveh: «Moa matahotra an’Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba?
10Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.
11Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona Anao manatrika izy!»
12Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana». Dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Satana.
13Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahy matoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy,
14dia nisy iraka tonga nilaza tamin’i Jôba hoe: «Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy,
15dia tonga tampoka ny Sabeanina nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
16Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizy lahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao».
17Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
18Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nihinana sy nisotro divay tao amin’ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,
19ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
20Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:
21«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».
22Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.