Jodita 14 - Malagasy Catholic Bible

5. FandresenaNanihin’ny Jody ny lasin’ny Asirianina

1Tamin’izay dia hoy i Jodita tamin’ny vahoaka rehetra: «Mihainoa ahy, ry havako, ahantòny eny an-tampon’ny mandantsika ity loha ity.

2Ary rehefa vaky masoandro, samia mandray ny fiadiany, dia mirimorimo mivoaka, tsy hoe hidina ho eo an-dohasaha fotsiny, fa toy ny manao rodobe hamely.

3Tsy maintsy hitsoaka ho any amin’ny Jeneraliny amin’izay ny mandry tsy aman’afon’izy ireo, hamoha azy hiady.

4Ary rehefa hidodododo ho any an-dain’i Hôlôferina ny lehiben’izy ireo ka hahita azy voatapa-doha, mihosinkosina amin’ny rany, dia ho raiki-tahotra mafy.

5Nony injay hitanareo mandositra izy, dia mirosoa hanenjika azy an-kasahiana fa homontsanin’ny Tompo eo imasonareo ireo.»

6Rehefa hitan’i Akiora tamin’izay, ny fahefana ampiasain’ny Andriamanitr’i Israely, dia nialany ny fombam-pivavahan’ny firenena, dia nino an’Andriamanitra izy, ary noforàna sy voakambana amin’ny vahoakan’i Israely, hatramin’ny taranany rehetra mandrak’izao.

7Vao nipoaka ny andro, dia nahanton’ny mponina tao Betolia teny amin’ny manda ny lohan’i Hôlôferina, ka samy nandray ny fiadiany ny lehilahy, sy nivoaka nirodorodo mafy, tamin’antsoantso nikotrokotroka.

8Nahatsinjo izany ireo mandry tsy aman’afo, dia nidodododo nankany an-dain’i Hôlôferina.

9Izay efa tao an-day kosa indray nankeo am-baravaran’efitra fandriany, nanao tabataba be hamoha azy, ary niniany nampitomboina ny tabataba mba hahatsiarovan’i Hôlôferina amin’ny torimaso, azon’izany tabataba izany, tsy hilana ny hamohan’ny fehiny azy.

10Fa tsy nisy sahy nandom-baravarana na niditra ka namoha ny varavaran’efitra fandrian’ity lehilahy ambony indrindra amin’ny Asirianina.

11Tonga avokoa anefa ny jeneraliny sy ny lehibe mbamin’ny manamboninahitra amin’ny tafiky ny mpanjakan’ny Asirianina, ka nilaza tamin’ireo tonian-tranony hoe:

12«Midira, fohazy izy, fa tafavoaka ny lavany ireo voalavo ireo, ka sahy mihaika antsika hiady.»

13Tamin’izay dia niditra ny efitrano i Vagao, nijanona teo anoloan’ny elom-pandriana, nitehaka tamin’ny tanany, fa nataony ho miara-mandry amin’i Jodita ihany ny tompony.

14Kanjo raha nanongilan-tsofina izy ka tsy nandre izay fihetsik’olona mandry teo velively, dia nohatoniny ny elom-pandriana, dia noaingainy, ka indro ny fatin’i Hôlôferina, hitany nitsitra tamin’ny tany, tsy nisy loha, nihosin-dra. Niaraka tamin’izay, nidradraka nitomany izy, sy nandriatra ny fitafiany,

15dia niditra tao an-dain’i Jodita, ka tsy nahita azy tao. Nivoaka faingana izy nankeo amin’ny vahoaka,

16nanao hoe: «Vehivavy jody iray iny monja nampisafotofoto ny ankohonan’i Nabokodonozora mpanjaka; mitsitra amin’ny tany ao i Hôlôferina, ary tsy misy loha intsony ny vatany!»

17Vao nandre ireo teny ireo ny lehibe rehetra amin’ny tafiky ny Asirianina, dia nandriatra ny fitafiany, sady azon-tahotra aman-korohoro lozan-tany, nikorontana mafy ny sainy.

18Ka horakoraka tsy hita holazaina, no nihohahoha tao an-tobin’izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help