1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2Izao no lazao amin’ny zanak’i Israely: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely, manolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, dia hoheloin-ko faty, ka hotorahin’ny vahoaka tompon-tany vato.
3Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako.
4Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin’ny anolorany ny zanany ho an’i Môlôka, ka tsy mamono azy,
5dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.
6Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.
7Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
B. Hadisoana ara-pianakaviana(Jereo Lev 18)8Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh Izay manamasina anareo.
9Na zovy na zovy manozona ny rainy na ny reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany.
10Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
11Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drainy, ka manokatra ny fitanjahan-drainy dia hoheloin-ko faty izy roaroa, ka dia amin’izy ireo ny rany.
12Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinanto vaviny, dia hohelohin-ko faty izy roaroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin’izy ireo ny rany.
13Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany.
14Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka be vava izany, ka samy hodorana amin’ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian’izany heloka izany eo aminareo.
15Raha misy lehilahy miray amin’ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo.
16Raha misy vehivavy manota hijangajanga amin’ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia hatao maty izy ireo, ka dia amin’izy ireo ny rany.
17Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony.
18Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin’ny fadim-bolana ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan’ny rany izy, ary hofongorana amin’ny fireneny izy roaroa.
19Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan’ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo.
20Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roaroa.
21Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roaroa.
D. Fanampiny momba ny madio sy ny maloto22Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan’ny tany hitondrako anareo honenanareo ianareo.
23Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko Ahy izy.
24Efa voalazako taminareo fa ianareo no handova ny tanin’ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa.
25Hanavaka ny biby madio amin’izay maloto ianareo, sy ny vorona madio amin’izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin’izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto.
Famaranana26«Ho masina ho Ahy ianareo, fa Izaho Iaveh dia masina sy efa nanavaka anareo tamin’ny firenen-kafa mba ho Ahy.
27Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.