1Mpanjaka 6 - Malagasy Catholic Bible

Ny nanorenana ny tempoly(Jereo 2Tan 3,1-17)

1Tamin’ny taona faha-480, taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Salômôna tamin’i Israely, tamin’ny volana ziva, izay volana faharoa, no nanorina ny tranon’i Iaveh izy.

2Ary ny trano nataon’i Salômôna ho an’i Iaveh dia enimpolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, telopolo hakiho ny haavony.

3Ny trano heva eo anoloan’ny tempoly amin’ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, manaraka ny sakantrano, ary folo hakiho ny sakany manoloana ny trano.

4Makarakara tsy miova no nataon’ny mpanjaka varavaran-kelin’ny trano.

5Manolotra ny rindrin-trano, dia nasiana rihana manodidina ny rindrin-trano, manodidina ny Fitoerana Masina, sy ny Fitoerana Masina indrindra, nasiany efitrefitra ny lafin-trano manodidina.

6Ny rihana ambany dia dimy hakiho ny sakany, ny antenatenany enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelo fito hakiho ny sakany, fa namelàna hatrany ny rindrin-trano amin’ny manodidina eo ivelany, mba tsy hitsatohan’ny sakamandimby amin’ny rindrin-trano.

7Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin’ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantanana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin’ny nandrafetana azy.

8Tao amin’ny ilany ankavanan’ny trano no fidirana mankao amin’ny rihana eo antenatenany, ary tohatra miholikolika no iakarana ho ao amin’ny rihana antenatenany, ary avy eo amin’ny antenatenany kosa indray ho any amin’ny fahatelo.

9Nanao ny trano izy dia nahavita azy, ary rairainy sy hazo fisaka sedera no natafony ny trano.

10Ary nataony ny rihana manolotra ny trano manontolo izay nisy dimy hakiho ny haavony, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin’ny trano.

11Dia niteny tamin’i Salômôna i Iaveh ka nanao hoe:

12«Ity trano ataonao ity... raha mandeha araka ny lalàko ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ka mampifanaraka ny fitondran-tenanao amin’izany, dia ho tanteraka aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao;

13honina eo amin’ny zanak’i Israely Aho, ary tsy hahafoy an’i Israely vahoakako.»

14Nanorina ny trano i Salômôna dia nahavita azy.

Fanamboarana ny atiny. Ny Toerana Masina indrindra(Jereo 2Tan 3,8-9)

15Nopetahany hazo fisaka sedera ny ati-rindrin-trano, hatramin’ny tokotanin-trano ka hatramin’ny valin-drihana, vitany peta-drindrina avokoa ny ao anatiny, ary ny tokotanin-trano norakofany tamin’ny hazo fisaka sipresa.

16Nopetahany hazo fisaka sedera ny roapolo hakiho hatreo amin’ny fara rindrina hatrany amin’ny tany ka hatrany amin’ny loha rindrina, ary ny trano dia nanavahany izay ho Fitoerana Masina, Fitoerana Masina indrindra.

17Ny trano, izany hoe, ny tempoly teo anoloana, dia nisy efapolo hakiho.

18Ny hazo sedera tamin’ny ati-trano, dia voasikotra vita sarim-boantango sy voninkazo mivelatra. Sedera avokoa izy manontolo fa ny vato tsy nisy hita akory.

19Ny hametrahana ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh no nanamboarany ny Fitoerana Masina, tao anatin’ny trano, tarỳ anatiny indrindra.

20Ny atin’ny Fitoerana Masina, dia roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, roapolo hakiho ny haavony.

21Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.

22Ka toy izany no nametahany volamena avokoa ny trano manontolo, dia ny trano manontolo, ary ny ôtely teo anoloan’ny Fitoerana Masina nopetahany volamena.

Ireo Kerobima(Jereo 2Tan 3,10-13; Eks 25,18)

23Kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, no nataony tao anatin’ny Fitoerana masina, folo hakiho avy no haavony.

24Dimy hakiho avy ny elatra iray amin’ny kerobima, ary dimy hakiho ny elatra iray amin’ny kerobima, ka folo hakiho izany, hatramin’ny tendron’ny elany iray ka hatramin’ny tendron’ny elany iray ankilany.

25Ny kerobima iray koa folo hakiho, fa mitovy habe sy mitovy tarehy ny kerobima roa;

26folo hakiho ny haavon’ny kerobima iray, ary toy izany koa ny kerobima iray.

27Mivelatra elatra no nametrahan’i Salômôna ireo kerobima ireo, tao afovoan’ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin’ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin’ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan’ny trano,

28ary nopetahany volamena ny kerobima.

29Ny rindrin-trano rehetra manodidina na ny atiny na ny ivelany nasainy nosokirina nasiana sarin-kerobima mivohitra sy foto-drofia amam-boninkazo mivelatra avokoa.

30Ny ngorodon-trano nopetahany volamena na ao anatiny na eo ivelany.

Ireo varavarana sy ny tokotany

31Ny varavaran’ny Fitoerana Masina nasiany lela varavarana vita tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, ary feno ny tolàna sy ny momba azy ny ampahadimin’ny rindrina nisy azy;

32ka ny lela varavarana kopa-droa natao tamin’ny hazo ôliva maniry ho azy, nasainy nisokirana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra, ary nopetahany volamena, nataony mahazo ny kerobima sy ny rofia ny volamena.

33Toy izany koa ny varavaran’ny tempoly dia hazo ôliva maniry ho azy no nanaovany ny tolàna, izay nahafeno ny ampahefatry ny rindrina nisy azy,

34ary hazo sipresa no nanaovany ny kopa-droa; ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mivalona, ny kopaka iray dia nisy lelany roa mahazo mikopaka.

35Samy nosokirina nasiana sarin-kerobima sy rofia amam-boninkazo mivelatra avy ireo, ary nopetahany volamena mifanarakaraka amin’ny sorany.

36Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.

Datin’andro

37Tamin’ny taona fahefatra, volana ziva, no nandatsahana ny tototry ny tranon’i Iaveh,

38ary tamin’ny taona faha-11, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin’ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin’ny fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help