1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Lisin’ny vavolombelona . Hira nataon’i Davida, hampianarina.
2 Fony izy niady tamin’ny Sirianina any Mesôpôtamia sy ny Sirianina any Sobà; sy tamin’ny niverenan’i Jôaba avy namely ny Edômita, tao amin’ny Lohasahan-tSira, ka nahafatesany roa arivo sy iray alin-dahy
.3Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay,
efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
4Efa nampihorohoro ny tany Ianao, nandrotika azy,
dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.
5Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao,
nampisotroinao divay mahafanina izahay.
6Kanefa nomenao faneva ireo matahotra Anao,
hitsanganan’io noho ny fahamarinanao. -
- Selà
7Mba hahafahan’ny malalanao
dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana ary henoy ny hatako.
8Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe:
«Hientan-kafaliana aho!
Hanana an’i Sikema ho anjarako aho,
horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.
9Ahy i Galaada, ahy i Manase.
Fiadiana aron’ny lohako i Efraima
ary tehim-panjakako i Jodà.
10Tavin-drano fandroako i Moaba;
anipazako ny kapako i Edôma;
Mihobia ny voninahitro, ry tanin’i Filistinina!»
11Iza no hitondra ahy ho any amin’ny tanàna mimanda?
Iza no hitarika ahy ho any Edôma?
12Tsy Ianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra,
Ianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin’ny tafikay intsony.
13Vonjeo amin’ny mpampahory anay izahy!
Fa zava-poana ny famonjena avy amin’ny olombelona.
14Raha omban’Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika;
hanorotoro ny fahavalontsika Izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.