Bokin’i Daniela 12 - Malagasy Catholic Bible

Fitsanganan’ny maty sy valin’ny natao

1Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.

2Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.

3Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra, ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

4Ianao, ry Daniela, ahoròny ireo teny ireo, ary asio tombokase ity taratasy ity, mandra-pahatongan’ny andro farany. Maro no handinika azy, ka hitombo ny fahalalana.

Ny faminaniana voatombokase

5Ary nijery aho, Daniela, ka indro nisy olona roa hafa, nitsangana, ny iray teto amoron’ny ony, ny iray kosa teny an-dafiny.

6Dia hoy ny anankiray tamin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin’ny ranon’ny ony: «Rahoviana no ho tonga ny faran’ireo zava-mahagaga ireo?»

7Ary reko ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin’ny rano; nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia hanondro lanitra, ka nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay, fa ho amin’ny fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro izany; ary rehefa vita ny fanorotoroana ny herin’ny vahoaka masina, dia ho tanteraka ireo zavatra rehetra ireo.

8Reko izany, nefa tsy azoko an-tsaina, ka hoy aho: «Tompokolahy ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?»

9Fa hoy izy: «Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny, sy voaisy tombokase, mandra-piavin’ny andro farany.

10Ho maro anie no hodiovina, hofotsiana, sady ho voazaha toetra; fa ny ratsy fanahy hanao ratsy; ary tsy misy hahazo an-tsaina ny ratsy fanahy; fa ny hendry no hahazo an-tsaina.

11Hatramin’ny andro hampitsaharana ny sorona tsy tapaka, sy hampitsanganana ny fahavetavetan’ny mpandringana, hisy andro 2.190.

12Sambatra izay hiandry sy hahatratra ny hatramin’ny 1.335 andro.

13Ary ianao kosa, mizora ho amin’ny fiafarana, ka mialà janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao ianao, amin’ny fahataperan’ny andro.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help