1Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.
2Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy i Iavehn’ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho, ary hozoniko ny tso-drano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra ianareo! -
3Indro hataoko tsy maniry ny voa afafy, afafiko amin’ny tavanareo ny tain-drorona, dia ny tain-drorohan’ny fetinareo, ka hailiky ny olona miaraka amin’izany ianareo.
4Dia ho fantatrareo amin’izay, fa nandefa ity didy ity aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levi, hoy i Iavehn’ny tafika.
5Ny fanekeko tamin’i Levi, dia fiainana amam-piadanana, ary nomeko azy izany soa izany; ary fanekem-pahatahorana, ka dia natahotra Ahy, sy nangovitra teo anatrehan’ny Anarako izy.
6Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy tsy hita teo amin’ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin’ny ratsy.
7Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.
8Fa ianareo kosa nivily lalana, nanafintohina olona maro tamin’ny lalàna, ary namadika ny fanekena tamin’i Levì hoy i Iavehn’ny tafika.
9Koa Izaho kosa, dia efa nahatonga anareo ho faniratsira sy tsinontsinona eo imason’ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, sady mizaha tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna.
Fanambadiana vehivavy hafa firenena sy fisaoram-bady10Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy, ka mandoro ny fanekena tamin’ny razantsika?
11I Jodà mpivadika, ary i Israely sy i Jerosalema nahavitana fahavetavetana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an’i Iaveh, dia izay tian’i Iaveh, Jodà; nanambady ny zanaka vavin’ny andriamani-kafa izy.
12Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran’i Iaveh eo amin’ny lain’i Jakôba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin’izay manatitra fanatitra ho an’i Iavehn’ny tafika.
13Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.
14Ary hoy ianareo: Nahoana izany? I Iaveh dia efa vavolombelona manelanelana anao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa Izy no namanao sy vady vita fanekena taminao.
15Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.
Ny andron’i Iaveh17Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? - Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.