2Mpanjaka 2 - Malagasy Catholic Bible

6. ZAVA-BITAN’I ELISEA1. NY NANOMBOHANYNy nanalàna an’i Elia, izay nodimbiasan’i Elisea

1Nony nampakarin’i Iaveh ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia, dia niara-nandeha avy any Galgalà i Elia sy i Elisea.

2Ary hoy i Elia tamin’i Elisea: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho tafahatra any Betela aho.» Fa hoy kosa ny navalin’i Elisea: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho!» Dia nidina nankany Betela izy ireo.

3Ary nivoaka nankeo amin’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

4Ary hoy i Elia taminy: «Ry Elisea ô! mijanòna eto, raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jerikô aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho!» Dia tonga tany Jerikô izy ireo.

5Ary nanatona an’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Jerikô, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

6Ary hoy i Elia taminy: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jordany aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho!» Koa niara-nandeha izy roa lahy.

7Nisy dimampolo lahy tamin’ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron’i Jordany.

8Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.

9Nony tafita izy ireo dia hoy i Elia tamin’i Elisea: «Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan’ny hangalana ahy aminao.» Ary hoy ny navalin’i Elisea: «Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.»

10Ka hoy i Elia: «Mangataka zava-tsarotra ianao; kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.»

11Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.

12Sady nijery i Elisea no niantso hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!» dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa,

13ary noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Raha efa izay dia teo amin’i Jordany izy dia nijanona teo amorony.

14Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: «Aiza i Iaveh Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?» Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.

15Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,

16ary nanao taminy hoe: «Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin’ny fanahin’i Iaveh izy ka natsipiny any amin’ny tendrombohitra anankiray.» Fa hoy ny navaliny: «Aza maniraka ianareo.»

17Nefa mbola noteren’izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: «Iraho izy.» Dia nirahin’izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy.

18Nony tafaverina teo amin’i Elisea ireo, fa nitoetra tao Jerikô izy, dia hoy izy tamin’ireo: «Tsy efa nilazako va ianareo fa hoe: Aza mandeha.»

Zava-mahagaga roa nataon’i Elisea

19Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin’i Elisea: «Araka izao hitan’ny tompoko izao, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.»

20Ka hoy izy: «Itondray lovia vaovao aho, asio sira ao anatiny.» Dia nitondran’ny olona izany izy.

21Nandeha nankany amin’ny fiandohan’ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony.»

22Dia mahasalama ny rano mandrak’androany araka ny teny nolazain’i Elisea.

23Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dalana izy, dia nisy ankizy lahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: «Miakara ry ilay sola, miakara, ry ilay sola»;

24dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.

25Avy ao izy dia nankany an-tendrombohitra Karmela; avy ao indray dia niverina ho any Samaria.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help