Deterônômy 33 - Malagasy Catholic Bible

Tso-dranon’i Môizy

1Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.

2Hoy izy:

«Tonga avy tany Sinaia i Iaveh,

niposaka ho azy ireo avy any Seira Izy;

namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Faràna Izy,

ary nivoaka teo afovoan’ny masina tsy omby alinalina;

ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny

tsirim-pahazavana.

3Tiany koa ny vahoaka,

eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra,

mipetraka ao an-tongotrao izy ireo,

ary samy mandray ny teninao avokoa.

4Nanome didy antsika i Môizy;

lovan’ny fiangonan’i Jakôba.

5Tonga mpanjaka ao amin’i Jesoròna izy,

nony nivory ny lohan’ny vahoaka

mbamin’ny fokon’i Israely rehetra.

6Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena,

ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.»

7Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy:

«Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh,

ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy.

Ny tanany no hiady ho an’i Israely

ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»

8Ny amin’i Levì dia hoy izy:

«Ny Orimanao sy ny Tomimanao dia amin’ny olonao masina,

izay nozahanao toetra tao Masà

izay nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meribà,

9izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe:

Tsy nahita azy ireo aho,

izay tsy nahalala ny rahalahiny

na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany,

fa nankatò ny teninao izy,

ary nitana ny fanekenao.

10I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao,

ary i Israely ny lalànao.

Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy,

sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.

11Tahio ny heriny, ry Iaveh ô!

ankasitraho ny asan’ny tanany;

folahy ny andilan’izay mandrafy azy

sy izay mankahala azy: aoka tsy hiarina intsony ireny.»

12Ny amin’i Benjamina dia hoy izy:

«Malalan’i Iaveh izy, ka handry feizay monina eo akaikiny;

arovan’i Iaveh lalandava izy,

mipetraka eo anelanelan’ny sorony».

13Ny amin’i Josefa dia hoy izy:

«Tahin’i Iaveh ny taniny;

azy ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra

ny rano amin’ny hantsana lehibe monina ao ambany;

14ny vokatsoa masaky ny masoandro;

ny voan-javatra soa indrindra isam-bolana;

15Ny vokatsoa indrindra avy amin’ny tendrombohitra fahagola;

Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny havoana mandrakizay,

16Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny tany sy ny fahavokarany.

Ny fankahasitrahan’ilay nitoetra teo amin’ny zava-maniry milobolobo anie

ho tonga eo an-dohan’i Josefa,

eo amin’ny tampon’ny lohan’ny andrian’ny rahalahiny!

17An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera,

tandrok’ombimanga no tandrony;

amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra

hatrany amin’ny fara vazantany.

Toy izany ny alinalin’i Efraima,

Toy izany ny arivoarivon’i Manase».

18Ny amin’i Zabolôna dia hoy izy

«Mifalia, ry Zabolôna, amin’ny fandehananao,

ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao.

19Miantso ny vahoaka ho ao an-tendrombohitra ireo;

ao izy hanatitra sorom-pahamarinana,

fa hitsentsitra ny habetsahan-javatra avy amin’ny ranomasina izy,

sy ny harena miafina ao amin’ny fasika».

20Ny amin’i Gada dia hoy izy:

«Hisaorana anie Ilay manome fitoerana malalaka an’i Gada!

Mandry toy ny liom-bavy Izy;

ka mamiravira ny sandry na ny loha aza

21Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy;

fa anjara-mpifehy no voaafina ao,

ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka,

nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy

sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».

22Ny amin’i Dana hoy izy:

«I Dana dia liona vantony,

miantoraka avy ao Basàna».

23Ny amin’i Neftalì dia hoy izy:

«Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì,

ary feno ny fitiavan’i Iaveh;

ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».

24Ny amin’i Asera dia hoy izy:

«Hotahina eo amin’ny zanak’i Jakôba anie i Asera,

aoka izy ho tian’ny rahalahiny indrindra

ka hanoboka ny tongony amin’ny diloilo.

25Aoka ho vy amam-barahina ny karetsaka hidinao,

ary hifamàtra amin’ny andronao ny fiadananao.

26Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô!

izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao,

sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.

27Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana,

ny sandriny mandrakizay no anohanany anao;

mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy,

sady milaza hoe: Aringano.

28Mandry feizay i Israely;

miboiboika miavaka ny loharanon’i Jakôba,

ao amin’ny tany be vary aman-divay,

ary ny lanitra ao aminy mampitsororoka ny ranonando.

29Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao!

Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh,

izay ampingan’ny famonjena anao,

sabatry ny voninahitrao.

Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao,

fa ianao kosa handia ny havoany».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help