Amôsy 1 - Malagasy Catholic Bible

Lohateny

1Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:

Sasin-teny

2Hierona avy ao Siôna i Iaveh;

ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy;

ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona;

ary ny tampon’i Karmela, ho maina.

1. FITSARANA AN’IREO FIRENENA MIFANILA AMIN’I ISRAELY SY FITSARANA AN’I ISRAELYI Damasy(Jereo Iz 17,1-3; Jer 49,23-27)

3Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Damasy,

- ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.

Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada

tamin’ny ambaràmbana vy,

4dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely

ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.

5Homontsaniko ny hidin’i Damasa,

haringako ny mponina ao Bikata Avena,

ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena;

ary hoentina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria,»

hoy i Iaveh.

I Gazà sy i Filistia(Jereo Jôs 13,1; Jer 47; Sôf 2,4-7)

6Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Gazà,

- sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy.

Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany

mba hatolony ho any Edôma,

7dia handefa ny afo anatin’ny mandan’i Gazà Aho

ka handevona ireo lapany izany;

8haringako ny mponina rehetra ao Azota,

sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna;

dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako;

ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,»

hoy ny Tompo Iaveh.

I Tira sy i Fenisia(Jereo Iz 23; Ezek 26–28)

9Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Tira

- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy,

satria nanolotra olona babo an’andiany mihitsy ho any Edôma izy,

fa tsy nahatsiaro fanekem-pirahalahiana,

10dia handefa ny afo ao ambonin’ny mandan’i Tira Aho,

ka handevona ireo lapany izany.»

I Edôma(Jereo Iz 34; Jer 49,7-22; Ezek 25,12-14; 35)

11Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’i Edôma,

- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.

Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy,

fa namono ny fangoraham-po

ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany

sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,

12dia handefa afo ho ao Temàna Aho

ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»

I Amôna(Jereo Jer 49,1-6; Ezek 25,1-7; Sôf 2,8-11)

13Izao no lazain’i Iaveh:

«Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna,

- sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy.

Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada,

mba hanitarany ny faritaniny,

14hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho,

ka handevona ny lapany izany,

eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana,

sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.

15Ary ho lasan-ko babo ny mpanjakany,

dia izy sy ireo mpanapaka ao aminy koa»,

hoy i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help