1Mandrenesa izao, ry mpisorona;
mihainoa tsara, ry taranak’i Israely;
manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka;
fa ianareo no hamoahana ny teny fitsarana,
satria ianareo no efa fandrika tao Masfà
sy fandrika harato voavelatra ao ambonin’i Tabôra.
2Nataon’izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany,
tamin’ny sorona nataony;
fa ho famaizana anareo rehetra kosa Aho!
3Mahalala an’i Efraima Aho
ary tsy takona amiko i Israely;
ary ianao, ry Efraima, nijangajanga,
ary i Israely nandoto tena.
4Tsy avelan’ny asa nataony
hiverina amin’Andriamanitra izy ireo,
fa saim-pijangajangana no eo afovoany,
ka tsy mahalala an’i Iaveh izy.
5Ny avonavon’i Israely no vavolombelona manameloka azy;
ho lavon’ny helony i Israely sy i Efraima;
hiara-davo amin’ireo koa i Jodà.
6Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo,
handeha hitady an’i Iaveh,
nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.
7Namitaka an’i Iaveh izy ireo,
fa niteraka zaza hafa firenena;
ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy
mbamin’ny ananany.
Ady an-trano8Tsofy ao Gabaà ny anjomara;
ary ao Ramà ny trômpetra;
miantsoa vonjy taitra ao Betavena!
Mitandrema ianao, ry Benjamina!
9Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana;
ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely
zava-tsy maintsy tò no ambarako.
10Ireo mpifehy an’i Jodà
efa toy ny mpamindra faritra;
hampidiniko amin’izy ireo
ny fahatezerako toy ny rano.
11ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima
satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.
12Koa tahaka ny kalalao Aho amin’i Efraima,
ary tahaka ny fahalòvana amin’ny taranak’i Jodà.
Very maina ny fifanekena amin’ny vahiny13Rehefa nahita ny aretiny i Efraima,
ary i Jodà ny ratrany,
dia nankany amin’i Asora i Efraima
ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy
hamaly ny ratsy natao taminy;
tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany
ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
14Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima,
ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà.
Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha;
hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
Ilaozan’i Iaveh ny vahoakany15Handeha Aho hody any amin’ny fonenako,
mandra-piaikiny ny mahameloka azy,
ka hitadiavany ny Tavako.
Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.