Ohabolana 13 - Malagasy Catholic Bible

Fahotana amin’ny vava

1Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy;

fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.

2Ny vokatry ny vavan’ny olona, no itsentsefany ny soa;

fa ny irin’ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.

3Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny;

fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.

4Be faniriana ny kamo, fa tsy ho tanteraka,

fa ny fanirian’ny olo-mazoto kosa, ho tanteraka mahafa-po.

5Ny marina mankahala ny teny mamitaka;

ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.

6Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina;

ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.

7Misy mody manan-karena, nefa tsy manana inoninona;

misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.

8Ny harena dia avotra aina ho an’ny olona;

ny malahelo kosa tsy mandre akory izay fandrahonana.

9Ny fahazavan’ny marina, mamiratra mahafinaritra;

fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa, mitsilopilopy ho faty.

10Fifandirana no hany ateraky ny avonavona;

fa izay mety toroana no misy fahendrena.

11Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona;

fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.

12Ny fanantenana ela fiavy, mankarary ny fo;

fa ny faniriana tanteraka kosa, dia hazon’aina.

13Manary tena izay manamavo ny teny;

fa hahazo valisoa kosa, izay manaja ny didy.

14Loharanon’aina ny fampianaran’ny hendry;

mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.

15Vokatry ny saina mandroso fianarana, dia mahate-hotia;

fa ny lalan’ny mpamadika, dia sarotra.

16Ny olo-marina rehetra miasa amim-piheverana;

fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.

17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza,

fa ny iraka mahatoky kosa, ahazoam-panasitranana.

18Fahoriana aman-kenatra no an’izay mandà famaizana;

fa omem-boninahitra kosa, izay mandray fananarana.

19Ny faniriana tanteraka, maharavoravo ny fo;

ary ny miala amin’ny ratsy mahatsiravina ny adala.

20Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry;

fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.

21Ny mpanota enjehin-doza;

ny marina kosa valian-tsoa.

22Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany;

fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.

23Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be;

ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.

24Tsy tia anaka izay mitsitsy ny tsora-kazony;

fa ny tia azy, mamay azy malaky.

25Ny marina mihinana sady afa-po tsara;

fa ny kibon’ny ratsy fanahy kosa zoin’ny tsy ampy lava.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help