1Ary hoy ny lehilahy amin’i Efraima tamin’i Jedeôna: «Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory ianao raha handeha hiady amin’i Madiàna.» Sady nilàna sotasota izaitsizy izy.
2Fa izao no navalin’i Jedeôna azy: «Zinona moa no nataoko raha oharina amin’ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok’i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok’i Abiesera?
3Fa teo an-tananareo no natolotr’i Iaveh ny andrian’i Madiàna, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo?» Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran’izy ireo taminy.
D. FANAFIHAN’I JEDEONA TANY AN-DAFIN’I JORDANY SY NY FIAFARAN’I JEDEONANenjehin’i Jedeôna tany andafin’i Jordany ny fahavalo4Dia tonga tany Jordany i Jedeôna ary nita azy izy sy ireo telon-jato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany.
5Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna».
6Fa hoy ny navalin’ny lehilahy Sokôta: «Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salman?a, no hanome mofo izay miaramilanao izahay?»
7Dia hoy i Jedeôna: «Aoka àry, fa rehefa voatolotr’i Iaveh eo an-tanako kosa i Zebea sy i Salmanà dia hataoko hoto amin’ny tsilo any an’efitra sy amin’ny roy ny nofonareo».
8Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin’ny olona toraka ny teo; fa novalian’ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin’ny olona tany Sokôta ihany koa.
9Ka hoy izy tamin’ny olona tao Fanoela: «Rehefa avy mandresy aho, dia hofongorako ity tilikambo ity».
Resy i Zebea sy i Salmanà10Tany Karkôra i Zebea sy i Salmanà mbamin’ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin’ny foloalindahin’ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.
11Niakatra i Jedeôna nihazo ny lalan’ny mpitoetra an-day ao atsinanan’i Nobe sy i Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona.
12Ka vaky nandositra i Zebea sy i Salmanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan’i Madiàna, i Zebea sy i Salmanà, ary nampifanaritahiny avokoa ny toby manontolo.
Valifatin’i Jedeôna13Dia niverina avy tany amin’ny ady i Jedeôna zanak’i Jôasy, nihazo ny fiakarana Haresy.
14Nisambotra zazalahy anankiray amin’ny mponina ao Sokôta izy, nanontaniany, ka nosoratan’io ny anaran’ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokôta.
15Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»
16Dia nosamboriny ny loholona tao an-tanàna, ary rehefa nandray tsilo any an’efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokôta izany.
17Noravany koa ny tilikambo tao Fanoela ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna.
18Ary hoy izy tamin’i Zebea sy i Salmanà: «Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabôra izany?» Dia hoy ireo: «Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak’andriana avokoa izy.»
19Ka hoy izy: «Ny rahalahiko, zanak’i neny indrindra izany. Velona i Iaveh! Tsy matiko ianareo, raha namelona an’ireo.»
20Ary hoy izy tamin’i Jetera zanany lahimatoa: «Mitsangàna, ka vonoy ireo.» Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora.
21Dia hoy i Zebea sy i Salmanà: «Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany no heriny». Nitsangana i Jedeôna ka namono an’i Zebea sy i Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin’ny vozon-dramevan’ireo.
Fitsaràn’i Jedeôna sy fahafatesany22Dia hoy ny lehilahy amin’i Israely tamin’i Jedeôna: «Aoka hanjaka aminay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria ianao no nanafaka anay tamin’ny tanan’i Madiàna».
23Hoy i Jedeôna taminy: «Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa i Iaveh ihany no hanjaka aminareo.
24Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.
25Ka hoy ny olona: «Omenay an-tsitrapo raha izany». Sady namelatra lamba izy ireo ka samy nanipy ny peratra azony tamin’ny babo avy.
26Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.
27Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
28Dia voaetry teo anatrehan’ny zanak’i Israely i Madiàna, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin’ny andron’i Jedeôna.
29Ary nody i Jerobaala zanak’i Jôasy, ka nonina tao an-tranony.
30Fitopolo lahy no zanaka naterak’i Jedeôna fa maro vady izy.
31Niteraka zazalahy taminy ny vadintsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany.
32Tratra antitra tsara i Jedeôna, zanak’i Jôasy, vao maty; ary tao amin’ny fasan’i Jôasy rainy izy no nalevina, tao Efràn’i Abiesera.
Lavo indray i Israely33Nony maty i Jedeôna dia nitolo-tena tamin’ireo Baala indray ny zanak’i Israely; ka i Baala-Berita no nataony andriamaniny.
34Tsy notsarovan’ny zanak’i Israely intsony i Iaveh Andriamanitr’izy ireo, izay nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra nanodidina azy;
35ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin’ny taranak’i Jerobaala-Jedeôna araka ny soa rehetra nataony tamin’i Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.