1Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2«Mandra-pahoviana no hampahorianareo ny fanahiko,
sy hamizananareo ahy amin’ny teninareo?
3Efa impolo izay no manala baraka ahy ianareo,
sy manevateva ahy tsy amin-kenatra akory.
4Na diso aza aho,
izaho ihany no hihandronan’ny fahadisoako.
5Fa ianareo kosa izay mitsangana hamely ahy,
ka ny fahafaham-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,
6dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy,
sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.
7Indro aho mitaraina noho ny fanaovana an-keriny, nefa tsy misy mamaly!
miantso fitsarana ambony, nefa tsy mahazo ny rariny.
8Ny lalako nofefeny, ka tsy afaka handeha aho;
ny sakeli-dalana halehako namelarany haizina.
9Ny voninahitro nendahany tamiko,
ny satroboninahitro nesoriny teo an-dohako.
10Nohadiny manodidina ny ao ambaniko, ka mianjera aho;
nofongorany toy ny hazo ny fanantenako.
11Nirehitra tamiko ny fahatezerany,
ka nataony fitondra fahavalo aho.
12Indray nirohotra ny antoko-miaramilany,
nisava lalana hankanesany atỳ amiko,
dia nanao fahirano ny laiko.
13Ka ny rahalahiko nampanalaviriny ahy;
ny sakaizako mivily miala amiko.
14Ny havako nandao ahy.
Ny olona nifankazatra amiko nanadino ahy.
15Ny mponina ao an-tranoko sy ny ankizy vaviko
manao ahy ho olon-kafa;
16olon-tsy fantatra eo imasony aho.
Miantso ny mpanompoko aho, tsy valiany akory;
voatery hilela-paladia azy amin’ny vavako aho.
17Mahaloiloy ny vadiko ny fofon’aiko,
mifona amin’izay iray tam-po amiko aho.
18Ny ankizy madinika aza, mamingavinga ahy,
nony mba mitsangana aho anaovany kivalavala.
19Ireo tsy nanafenako, dia marikoriko amiko,
ireo nolalaiko mivadika mamely ahy.
20Ny taolako, tafaraikitra amin’ny hoditra ama-nofoko,
ny akanjo-nifiko no hany nentiko nilefa.
21Ianareo sakaizako ahay, no mba mamindrà fo,
mamindrà fo amiko,
fa nasian’ny tanan’Andriamanitra aho ity!
22Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an’Andriamanitra koa ianareo,
ka tsy mety ho boboky ny nofoko?
23Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko!
raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin’ny boky izy!
24raha mba fisokirana vy mbamin’ny firaka
no isokirana azy amin’ny vatolampy ho mandrakizay.
25Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy,
ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,
26ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny,
dia ny nofoko izao no ahitako an’Andriamanitra.
27Eny izaho izao no hahita Azy,
ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa.
Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.
28Amin’izay ianareo va hilaza hoe: ‹Nahoana isika no nanenjika azy?›
fa ho hita ny mahamarina ny adiko.
29Ho an’ny tenanareo no aoka hatahoranareo ny sabatra amin’izay;
fa mahatsiravina ny famalian’ny sabatra,
ary ho fantatrareo fa misy fitsarana marina».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.