1Izaho koa dia olombelona mety maty toy ny hafa rehetra, ary avy amin’ilay voalohan-dahy natao tamin’ny tany.
2Ny amin’ny nofoko dia tao an-kibon’ineny no niforonako, nihamafy tamin’ny ra, mandritra ny folo volana, avy amin’ny faharian’ny lehilahy mandritra ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso.
3Izaho koa raha vao teraka dia niaina tamin’ny rivotra iaraha-manana amin’ny betsaka, latsaka tamin’ny tany itoviana, ary tomany toy ny an’ny hafa rehetra ihany koa, no feo voalohany nalefako.
4Nobiazina tanaty lamban-jaza sy tamim-pitandremana tsy hita isa aho.
5Tsy nisy mpanjaka nanam-piandoham-piainana hafa noho izany.
6Fa fomba tokana ihany, amin’ny olona rehetra,
no idirana sy ialana amin’ny fiainana.
7Noho izany, nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny fanahin’ny fahendrena.
8Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatroboninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany.
9Tsy nampitoviko taminy, ny vato sarobidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy atao fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.
10Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy, naleoko manana azy toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.
11Tonga tamiko miaraka aminy, ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany no eo an-tanany.
12Ka dia nifaly tamin’izany soa rehetra izany aho, fa entin’ny fahendrena miaraka aminy ireny; tsy nahalala anefa aho fa Izy no loharanon’ireny.
13Ny manaraka azy tsy nataoko an-kifonofono, ary ambarako ny hafa tsy amim-pialonana; ka tsy afeniko ny rakitra ao aminy.
14Fa rakitra tsy manam-paharitana ho an’ny olombelona izy; manana anjara amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra izay mampiasa azy, fa ny toetra tsara avy amin’ny fianarana dia mampahita sitraka aminy.
15Homen’Andriamanitra ahy anie, ny hiteny momba azy, araka ny faniriako, sy ny hahita hevitra mendrika ny fanomezana noraisiko. Fa Izy no mitarika ny fahendrena, sy mitari-dalana ny hendry.
16Eo an-tanany isika, dia isika sy ny tenintsika, mbamin’ny fahiratan-tsaina amam-pahaiza-manao.
17Izy no nahazoako fahalalana marina ny zavatra, nampahafantariny ahy ny firafitr’izao tontolo izao mbamin’ny toetra manokana ananan’ny foto-javatra avy,
18ny fiandohany amam-piafarany, ary ny elanelan’ny fotoana, ny fitsingerenan’ny masoandro ara-potoana, ny fifandimbiasan’ny andro,
19ny fitsingerenan’ny taona amam-pitoeran’ny kintana,
20ny fomban’ny biby amam-pahaizan’ny tsy manan-tsaina. ny herin’ny fanahy amam-pisainan’ny olombelona, ny karazan-java-maniry samihafa mbamin’ny hasin’ny fakany.
21Ny zava-miafina sy ny miharihary dia nianarako ho hay avokoa; fa ny fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany.
Fiderana ny fahendrena22Fa ao aminy dia misy fanahy manan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa,
23tsara fo ho an’ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran’izay maranitra indrindra.
24Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny fahendrena, maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany.
25Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy, zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
26Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratry na fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina, ary endriky ny hatsaram-pony.
27Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra, tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra, mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra amin’ny taona mifandimby, ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra sy ho mpaminany.
28Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
29Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy, sy noho ny filantoan’ny kintana. Raha ampitahaina amin’ny mazava, mbola ihoarany;
30satria ny mazava, dimbiasan’ny alina; fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.