1Henoinareo izao teny izao,
ry omby vavin’i Basàna,
izay eny an-tendrombohitr’i Samaria,
dia ianareo izay mampahory ny osa,
sy manosihosy ny tsy manana,
ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe:
Mitondrà hosotrointsika!
2Nianiana tamin’ny fahamasinany, ny Tompo Iaveh:
Indro ho avy aminareo ny andro
hipaohana anareo amin’ny farango,
sy ny taranakareo amin’ny firombaka.
3Hivoaka eo amin’ny banga
samy amin’izay hitsiny avy ianareo,
dia horoahina ho any Armôna, - teny marin’i Iaveh. -
Diso hevitra i Israely, tsy nibebaka ary nofaizina4Mankanesa any Betela ka manotà;
sy any Galgalà, ka mampitomboa ny fahotana!
Ento isa-maraina ny soronareo;
ary isan-kateloana, ny fahafolon-karenareo!
5Ataovy manetona ny fanati-pisaorana tsy misy lalivay;
miantsoa ny fanatitra an-tsitrapo, ka torio ampahibemaso izany!
Fa izany no tianareo, ry zanak’i Israely,
- teny marin’ny Tompo Iaveh. -
6Koa noho izany nataoko madio nify ianareo
teny an-tanànanareo rehetra teny
sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
7Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo,
raha mbola telo volana sisa vao ho fararano;
tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana;
fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana;
ny faritany iray tondrahan’ny orana;
fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina.
8Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa,
mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny;
nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
9Nasiako ianareo, tamin’ny fahalòvan’ny vary sy tamin’ny tomboka;
ny zaridainanareo maro, ny tanimboalobokareo,
sy ny aviavy aman’ôlivanareo,
dia ny valala no nihinana izany,
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
10Ianareo, nanirahako ny pesta;
toy ny fisian’izany any Ejipta;
novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo,
ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo;
nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho
ka tonga eo am-bavoronareo;
nefa tsy niverina tamiko ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
11Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo Aho
toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra
an’i Sôdôma sy Gômôra,
ary ianareo izany, dia toy ny forohana
voatsoaka tamin’ny hain-trano;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
- teny marin’i Iaveh. -
12Ka noho izany, izao no hataoko aminareo, ry Israely.
Koa rehefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna amin’izany fihaonana amin’ny Andriamanitrao izany ianareo, ry Israely.
Fiderana an’Andriamanitra13Satria izy no namorona ny tendrombohitra,
sy nahary ny rivotra;
izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona,
izay mahatonga ny maraina ho maizina,
sy mandia ny tampon’ny tany!
Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.