Salamo 20 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 20 (Volgata 19)Vavaka ho an’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. - Salamon’i Davida.

2Hihaino anao amin’ny andron’ny fahoriana anie i Iaveh;

hiaro anao anie ny Anaran’ny Andriamanitr’i Jakôba.

3Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerany masina anie Izy;

hanohana anao avy any Siôna anie Izy!

4Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie Izy,

ary hankasitraka ny sorona dorana!

- Selà

5Homeny anao anie izay irin’ny fonao;

ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!

6Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana;

hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika;

hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!

7Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh;

hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina,

amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.

8Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny;

ny sasany amin’ny soavaliny;

fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.

9Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo;

izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.

10Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! -

Hihaino antsika anie Izy amin’izay andro iantsoantsika Azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help