1 Nataon’i Davida.
AlefAza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy,
na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka.
2Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny,
ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Bet3Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa;
monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.
4I Iaveh no ataovy firavoravoanao,
dia omeny anao izay irin’ny fonao.
Gimel5Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao,
dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;
6hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao;
ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Dalet7Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy;
aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany,
dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.
He8Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana;
aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy.
9Fa ny ratsy fanahy hofongorana;
ary izay matoky an’i Iaveh no hanana ny tany.
Vao10Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy;
mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.
11Ny malemy fanahy no hanana ny tany;
ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe.
Jain12Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina,
sady manidy vazana aminy.
13Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy,
satria hitany fa tonga ny androny.
Het14Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany
handavo ny ory sy ny malahelo,
hamono izay mahitsy lalana.
15Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany;
ary ny tsipìkany ho tapatapaka!
Tet16Aleo ny kely ananan’ny olo-marina,
toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro;
17fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka;
ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh.
Iôd18Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina;
ary ny lovany haharitra mandrakizay.
19Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany;
ary ho voky amin’ny taona mosarena.
Kaf20Fa ny ratsy fanahy kosa ho levona;
ny fahavalon’i Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona;
ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.
Lamed21Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina,
fa ny marina kosa be antra ka manome.
22Izay tahin’i Iaveh hanana ny tany;
izay ozoniny dia hofongorana.
Mem23I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina;
ary mankasitraka ny lalany.
24Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany;
fa i Iaveh mitantana azy.
Non25Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny;
fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina,
na ny taranany nangataka hanina.
26Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra;
ary mahazo fanambinana ny taranany.
Samek27Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara,
dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.
28Fa tian’i Iaveh ny rariny,
ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy.
Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny,
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
29Hanana ny tany ny olo-marina,
dia honina eo mandrakizay.
Fe30Milaza fahendrena ny vavan’ny marina;
ary manambara ny rariny ny lelany,
31ny lalàn’ny Andriamaniny dia ao am-pony,
tsy mba solafaka ny diany.
Tsade32Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina,
ka mitady izay hahafaty azy;
33fa i Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tanany;
ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.
Kôf34Miandrasa an’i Iaveh, ary araho ny lalany,
dia hanandratra anao Izy, ka hanana ny tany ianao;
raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.
Resh35Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho,
nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.
36Nandalo aho dia tsy teo intsony izy;
nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.
Shin37Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy:
fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,
38Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa;
ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.
Tao39Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina;
mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy.
40I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy;
manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy,
satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.