1Dia nankao amin’ny fanasan’i Estera ny mpanjaka sy i Amàna.
2Tamin’io andro faharoa io, dia hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’ny fanasan’ny divay: «Inona no angatahinao, ry Estera, mpanjakavavy? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa na dia ny antsasaky ny fanjakana aza, dia ho azonao.»
3Ka hoy ny navalin’ny mpanjakavavy Estera: «Raha nahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka ô, ka sitraky ny mpanjaka izany, dia omeo ahy ny aiko, fa izany no angatahiko, sy ny ain’ny fireneko, fa izany no iriko.
4Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana, hovonoina, hofoanana. Raha namidy ho andevo sy mpanompo fotsiny izahay dia hangina ihany, fa izao, tsy hahonitra izay faty antoky ny mpanjaka akory ilay mpampahory.»
5Dia niteny i Asoerosy, mpanjaka, nanao tamin’i Estera mpanjakavavy heo: «Iza moa izany, ary aiza loatra no misy izay olona asesiky ny fony hanao izany?»
6Ka hoy ny navalin’i Estera: «Ny mpampahory, ny rafilahy, dia i Amàna io ratsy fanahy io.» Raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy i Amàna.
7Tezitra loatra ny mpanjaka, ka nitsangana niala teo amin’ny fanasan’ny divay ho ao amin’ny zaridain’ny lapa, fa i Amàna kosa nijanona hangataka ny ainy amin’i Estera mpanjakavavy, satria hitany marina fa raha ny amin’ny mpanjaka dia ny fahaverezana no raikitra.
8Nony niverina avy any amin’ny zaridain’ny lapa, ho ao an-trano fanasan’ny divay ny mpanjaka, indro i Amàna niankohoka teo am-parafara nisy an’i Estera, ka hoy ny mpanjaka: «Andray! dia sahy misavika ny mpanjakavavy eto an-tranoko, ato an-dapa ve, ilay ity e?» Vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’i Amàna.
9Ary i Harbôna, anankiray amin’ny eonòka, nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: «Ao an-tranon’i Amàna izao, dia efa mitsangana ilay hazo, dimampolo hakiho ny haavony, namboarin’i Amàna ho an’i Mardokea, ilay niteny nahasoa ny mpanjaka.» Dia hoy ny mpanjaka: «I Amàna no ahantòny amin’izany!»
10Ka dia nahanton’ny olona tamin’ilay hazo namboariny ho an’i Mardokea i Amàna. Ary nionona ny hatezeran’ny mpanjaka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.