1Iaveh ô, Andriamanitro Ianao;
hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho,
fa efa nanao zava-mahagaga Ianao;
mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
2Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato,
ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava,
ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony,
sady tsy hatsangana mandrakizay.
3Noho izany ny firenena mahery anankiray hanome voninahitra Anao;
ny tanànan’ireo firenena mahatsiravina hanaja Anao.
4Ianao no trano mimanda ho an’ny osa,
trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany,
fialofana amin’ny hainandro midaindaina,
fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka
dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.
5Toy ny firehitry ny hainandro amin’ny tany karankaina,
no amolahanao ny fidohadohan’ny barbarianina.
Toy ny andresen’ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro,
no handresena ny akoram-pandresen’ny mpampahory.
Fanasana amin’ny andron’ny Mesia6Hanomanan’i Iavehn’ny tafika
amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra,
fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana,
hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
7Hotriariny eto amin’ity tendrombohitra ity
ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
8Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny
tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny i Iaveh.
9Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:
Indro ny Andriamanitsika
izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia i Iaveh izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
10Fa ny tanan’i Iaveh
hipetraka amin’ity tendrombohitra ity;
ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana,
toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.
11Haninji-tanana ihany izy, ao anatin’izany fotaka izany,
toy ny mpilomano maninji-tanana hilomano;
nefa haetrin’i Iaveh ny avonavony,
na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tanany.
12Ny mandanao avo be, harodany, hazerany,
hatontany amin’ny tany, anatin’ny vovoka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.